Fepetry ny Serivisy Workplace


IANAO DIA MANOME ANTOKA SY MANAMBARA FA IANAO DIA MIDITRA AMIN’IRETO FEPETRA AN-JOTRA WORKPLACE IRETO (“FIFANEKENA”) AMIN’NY ANARAN’NY ORINASA NA ENDRI-PISIANA ARA-DALÀNA HAFA IRAY, ARY IANAO DIA MANANA FAHEFANA FENO HAMATOTRA ENDRI-PISIANA TOY IZANY AMIN’ITY FIFANEKENA ITY. IREO FILAZANA MANARAKA EO HOE “IANAO”, “NAO/ANAO” NA “MPANJIFA” DIA MIDIKA ENDRI-PISIANA TOY IZANY.
Raha toa ka any Etazonia na Kanada ny toerana lohalaharana fiharianao, ity Fifanekena ity dia fifanekena eo aminao sy i Meta Platforms, Inc. Raha tsy izany, ity Fifanekena ity dia fifanekena eo aminao sy i Meta Platforms Ireland Ltd. Ny filazana hoe "Meta", "izahay", “anay” na "-nay" dia midika na i Meta Platforms, Inc. na Meta Platforms Ireland Ltd., araka izay mety.
Ireto fepetra manaraka ireto dia hihatra amin’ny fampiasanao Workplace. Miaiky ianao fa ireo toetoetra sy ny fiasan’ny Workplace dia mety hiovaova, ary mety hiova rehefa mandeha ny fotoana.
Ny teny sasany manomboka amin’ny sorabaventy dia faritana ao amin’ny Fizarana 12 (Famaritana) sy ireo hafa dia faritana ara-tsehatra isehoana ato amin’ity Fifanekena ity.
  1. Fampiasana Workplace
    1. Ireo Zonao amin’ny Fampiasana. Mandritra an’ilay Fe-potoana, ianao dia manana zo tsy tokana, tsy azo afindra ary tsy azo anomezana zana-lisansy hisitraka sy hampiasa Workplace mifanaraka amin’ity Fifanekena ity. Ny fampiasana Workplace dia voafetra ho an’ireo Mpampiasa (anisan’izany, raha azo ampiharina, ny an’ireo Rantsanao) izay ho azy ireo no amelomanao kaonty, ary ianao dia tompon’andraikitra amin’ireo Mpampiasa rehetra sy amin’ny fanoavan’izy ireo an’ity Fifanekena ity sy ny fisitrahan’izy ireo, ary ny fampiasan’izy ireo, Workplace. Mba hazava kokoa, ny Workplace dia atolotra amin’ny maha serivisy ho anao, fa tsy ho an’ireo Mpampiasa tsirairay.
    2. Kaonty. Ny fampahalalana momba ny fisoratanao anarana sy ny kaontinao admin dia tokony ho marina, feno ary manaraka andro hatrany. Ny kaontin’ny mpampiasa dia ho an’ny mpampiasa iray manokana ka tsy azo zaraina na afindra. Tsy maintsy hazoninao ho tsiambaratelo ny teny fidirana rehetra ary ianao dia manaiky ny hampandre an’i Meta avy hatrany raha toa ka mahita fampiasana tsy nahazoan-dalana an’ny kaontinao na ny teny fidiranao.
    3. Famerana. Ianao dia tsy (ary tsy hamela n’iza n’iza mba): (a) hampiasa ny workplace amin’ny anaran’ny antoko fahatelo mba hampanofa, hanao fifanekana fanofana, hanome fisitrahana amin’ny na hanao sous-license ny Workplace amin’ny antoko fahatelo tsy ankanavaka, raha tsy amin’ny Mpampiasa omen-dalana ato ihany; (b) hanao injenioria miverina, hanasaraka na hitady hahazo ny kaody loharanon’ny Workplace, raha tsy hoe araka izay avelan’ny lalàna manan-kery voalaza mazava tsara (ary aorian’ny fampandrenesana mialoha an’i Meta ihany koa); (d) hanao kopia, hanova na hamorona sangan’asa nalaina avy amin’ny Workplace; (e) hanala, hanova na hanamaizina izay fananana na fampandrenesana hafa voarakitra ao amin’ny Workplace; na (f) hampiely amin’ny daholobe fampahalalana ara-teknika mahakasika ny fahombiazan’ny Workplace.
    4. Fanefena. Mandritra ny fanefena ny Workplace-nao, ianao dia hanendry Mpampiasa iray na mihoatra mba ho mpandrindra rafitra ho an’ny fiombonambenao Workplace, izay ho tompon’andraikitra amin’ny fitantanana ny Workplace-nao. Tokony hataonao azo antoka fa manana mpandrindra rafitra iray amperinasa ianao fara fahakeliny, amin’ny fotoana rehetra, ho an’ny Workplace-nao.
    5. API Workplace. Mandritra ilay fe-potoana, Meta dia mety hanome anao fahafahana hisitraka API Workplace iray na mihoatra, mba hahafahanao mamolavola sy mampiasa serivisy na application izay mameno ny fampiasanao ny Workplace. Ny fampiasanao, ny fampiasan’ireo mpampiasanao na izay antoko fahatelo miasa ho anao an’ny(ireo) Workplace API dia ho voafehin’ireo andinindininy amin’ireo Fepetry ny Vovonana Workplace, izay azo sitrahina amin’izao fotoana izao ao amin’ny workplace.com/legal/WorkplacePlatformPolicy, araka izay asian’i Meta fanovana tsindraindray.
    6. Tohana. Hanolotra tohana Workplace ho anao izahay amin’ny alalan’ny vakizoro tohana mivantana ao amin’ny takilan’ny admin Workplace (“Fantsona Tohana Mivantana”). Azonao atao ny mampandroso fangatahana tohana mba hahazoana valim-panontaniana na hanaovana tatitra olana iray mahakasika ny Workplace, amin’ny alalan’ny fananganana tapakila amin’ny Fantsona Tohana Mivantana (“Tapakila Tohana”). Ho an’ny Tapakila Tohana tsirairay, izahay dia hanome valiny voalohany ao anatin’ny 24 ora manomboka eo amin’ny fotoana hahazoanao mailaka fanamafisana fa nekena ny fanangananao ny Tapakila Tohanao tamin’ny alalan’ny Fantsona Tohana Mivantana.
  2. Ny Angon-drakitrao sy ireo Adidinao
    1. Ny Angon-drakitrao. Araka ity Fifanekena ity:
      1. hazoninao ny zo, fizakam-pananana ary tombontsoa (anisan’izany ny zo fizakam-pananana ara-tsaina) ao amin’ny sy ho an’ny Angon-drakitrao;
      2. mandritra an’ilay fe-potoana, ianao dia manome an’i Meta zo tsy tokana, eran-tany, tsy misy redevansy ary voaloa manontolo hampiasa ny Angon-drakitrao mba hanolorana Workplace (sy izay tohana mifandraika amin’izany) irery ihany, mifanaraka amin’ity Fifanekena ity; ary
      3. ianao dia miaiky fa i Meta no mpikirakira angon-drakitra ary ianao no mpifehy angon-drakitra ho an’ny Angon-drakitrao, ary amin’ny alalan’ny fidirana amin’ity Fifanekena ity, ianao dia maniraka an’i Meta hikirakira ny Angon-drakitrao amin’ny anaranao, ho an’ireo tanjona voafaritra ato amin’ity Fifanekena ity sy mifanaraka amin’ity Fifanekena ity irery ihany (anisan’izany ny Fanampin’ny Fikirakirana Angon-drakitra).
    2. Ireo Adidinao. Manaiky ianao (a) fa ianao dia hany tompon’andraikitra amin’ny fahamarinana sy votoatin’ny Angon-drakitrao; (b) ny hanao izay hahazoana ny zo sy fanekena ilaina rehetra takin’ny Lalàna avy amin’ireo Mpampiasanao sy izay antoko fahatelo voakasika mba hahafahana manangona sy mampiasa ny Angon-drakitrao araka izay eritreretina hatao ato amin’ity Fifanekena ity; ary (d) fa ny fampiasanao Workplace, anisan’izany ny Angon-drakitrao sy ny fampiasana azy voalaza eo ambany, dia tsy handika Lalàna na zon’ny antoko fahatelo tsy ankanavaka, anisan’izany ny zo fizakam-pananana ara-tsaina, zo amin’ny fitanan-tsiambaratelo na fampahafantarana amin’ny besinimaro. Raha toa ka misy mandika an’ity Fizarana 2 ity ny ampahany amin’ny Angon-drakitrao naroso na nampiasaina, dia manaiky ianao ny hanala azy amin’ny Workplace haingana. Ianao dia hany tompon’andraikitra amin’ny fanapahan-kevitra hizara ny Angon-drakitrao amin’ny Mpampiasa na amin’ny antoko fahatelo tsy ankanavaka, ary i Meta dia tsy tompon’andraikitra amin’ny fampiasana, fisitrahana, fanovana, fizarana na famafana ny Angon-drakitrao ataon’ireo izay avelanao na avelan’ireo Mpampiasanao hisitraka azy.
    3. Angon-drakitra Voarara. Manaiky ianao fa tsy handroso amin’ny Workplace fampahalalana na angon-drakitra tsy ankanavaka izay iharan’ny fiarovana sy/na famerana fizarana mifanaraka amin’ny lalàna sy/na fitsipika manan-kery (“Fampahalalana Voarara”). Mahakasika ny fampahalalana ara-pahasalamana, ianao dia manaiky fa Meta dia tsy Mpiray Ombon’antoka Ara-pihariana na zana-mpiantok’asa (araka ny amaritana ireo teny ireo ao amin’ny Lalàna momba ny Fiantohana Ara-Fahasalamana sy Tamberin’andraikitra (“HIPAA”)) ary ny Workplace dia tsy manaraka ny HIPAA. I Meta dia tsy ho tompon’antoka araka ity Fifanekena ity amin’ny Fampahalalana Voarara, na dia misy aza ny mifanohitra amin’izany ato.
    4. Fanonerana. Ianao dia hiaro, hanonitra ary hanao izay tsy hahavoa an’i Meta (sy ireo Rantsany ary ireo tale, mpiandraikitra, mpiasa ary solontenan’ireo rantsana tsirairay) amin’ny fitakiana (avy amin’ny antoko fahatelo sy/na Mpampiasa), vidy, fahasimbana, maha tompon’antoka ary fandaniana rehetra (anisan’izany ny saran’ny mpisolovava araka ny antonony) vokatry ny na misy ifandraisany amin’ny fanitsakitsahanao na fiampangana anao ho nanitsakitsaka an’ity Fizarana 2 ity na, ankoatra izay, mifandray amin’ny fandikanao an’ity Fifanekena ity mifandraika amin’ny Angon-drakitrao, ny Politikanao na ny fampiasanao Workplace. Meta dia mety handray anjara amin’ny fiarovana sy ny fandaminana ny fitakiana toy izany amin’ny alalan’ny mpisolovavany manokana sy amin’ny fandaniana manokana. Tsy azonao atao ny mandamina izany fitakiana izany raha tsy nahazo ny fanekena an-tsoratr’i Meta aloha, raha toa ilay famahana ka mitaky ny handraisan’i Meta fepetra, na tsy handraisan’i Meta fepetra na mitaky ny haneken’i Meta ny maha tompon’antoka, na inona na inona izany.
    5. Dikafiandry sy Famafana Angon-drakitra. Meta dia tsy manolotra serivisy fanaovana arisiva, ary ianao dia hany tompon’andraikitra amin’ny famoronana dikafiandrin’ny Angon-drakitrao. Azonao atao ny mamafa ny Angon-drakitrao misy votoatin’ny Mpampiasa amin’ny fotoana rehetra mandritra ny fe-potoana amin’ny alalan’ny fiasa mpandrindra rafitry ny Workplace.
    6. Angon-drakitra Tambabe. Araka ity Fifanekena ity, dia azonay atao ihany koa ny mamokatra angon-drakitra statistika sy famakafakana tambabe nalaina tamin’ny fampiasanao Workplace (“Angon-drakitra Tambabe”), kanefa izany Angon-drakitra Tambabe izany dia tsy hiaty Angon-drakitrao na angon-drakitra manokana tsy ankanavaka.
  3. Fahaleman’ny Angon-drakitra
    1. Fahaleman’ny Angon-drakitrao. Izahay dia hampiasa fepetra ara-tekinika sy ara-pandrindrana ary ara-pahalemana araka ny tokony ho izy natao hiarovana ny Angon-drakitrao eo am-pelantananay amin’ny fisitrahana, fanovana, famborahana ary fanimbana tsy nahazoan-dalana, araka ny voasoritsoritra bebe kokoa ao amin’ny Fanampin’ny Fahaleman’ny Angon-drakitra.
    2. Famoahana Ara-dalàna sy Fangatahan’ny Antoko Fahatelo. Amin’ny ankapobeny, dia ianao no tompon’andraikitra amin’ny famaliana ny fangatahan’ny antoko fahatelo mahakasika ny Angon-drakitrao, toy ireo mpampanoa fitsipika, Mpampiasa na sampandraharahan’ny mpitandro filaminana (“Fangatahan’ny Antoko Fahatelo”), kanefa takatrao fa, mba hamaliana ny Fangatahan’ny Antoko Fahatelo iray, i Meta dia mety hamboraka ny Angon-drakitrao mba hanoavana an’izay takin’ny lalàna aminy. Amin’ny tranga toy izany, ao anatin’ny faratakatra avelan’ny lalàna sy mifanaraka amin’ireo fepetran’ilay Fangatahan’ny Antoko Fahatelo, izahay dia hanao ezaka araka ny antonony mba (a) hampandrenesana anao momba ny fandraisanay Fangatahan’ny Antoko Fahatelo iray sy hangatahana an’ilay antoko fahatelo mba hifandray aminao, ary mba (b) hanoavana ny fangatahanao araka ny antonony mahakasika ny ezaka ataonao mba hanoherana Fangatahan’ny Antoko Fahatelo iray amin’ny fandanianao manokana. Ianao ihany aloha no hanao izay hahazoanao ny fampahalalana takina mba hamaliana an’ilay Fangatahan’ny Antoko Fahatelo, ary avy eo ihany ianao vao hifandray aminay raha toa ka tsy afaka mahazo an’izany fampahalalana izany.
  4. Fandoavam-bola
    1. Sarany. Manaiky ny handoa amin’i Meta ny sarany mahazatra ho an’ny Workplace ianao (hita ato amin’izao fotoana izao: https://www.workplace.com/pricing) ho an’ny fampiasanao ny Workplace, mifanaraka amin’izay fe-potoana fanandramana maimaimpoana araka ny voasoritra ao amin’ny Fizarana 4.f (Fanandramana Maimaimpoana), raha tsy hoe angaha hafa no nifanekena ao amin’ny tahirinkevitra an-tsoratra vita sonia iray. Izay sarany rehetra amin’ity Fifanekana ity dia haloa amin’ny Dolara amerikanina, raha tsy hoe angaha hafa no faritana aminao mivantana ao amin’ilay vokatra, na raha tsy hoe angaha hafa no nifanekena ao amin’ny tahirinkevitra an-tsoratra vita sonia iray. Ny sarany rehetra dia haloa manontolo mifanaraka amin’ny fomba fandoavam-bolanao araka ny Fizarana 4.b. Izay fandoavana misy fahatarana dia hiharan’ny saran’ny serivisy 1,5% isam-bolana an’ilay vola mila aloa na ny tetibidy farany ambony avelan’ny lalàna, araka izay kely kokoa amin’ireo.
    2. Fomba Fandoavana. Rehefa miditra amin’ity Fifanekena ity ianao, dia manaiky ny handoa an’ireo sarany araka ny iray amin’ny fomba fandoavana roa: (i) mpanjifa mampiasa karatra fandoavana (na mandoa mivantana izany na amin’ny alalan’ny vovonana fandoavana antoko fahatelo), na (ii) mpanjifa handefasana lazambidy, araka izay faritan’i Meta. Ireo mpanjifa mampiasa karatra fandoavana (araka ny fanapahan-kevitr’i Meta irery ihany) dia mety hiova ho mpanjifa handefasana lazambidy (sy ny mifamadika amin’izany) miankina amin’ny anona toy ny isan’ny Mpampiasa sy ny fahatokisana anao hamerim-bola, kanefa i Meta dia mety hampihatra ny zony hamerina anao ho amin’ny sokajy mpanjifa mampiasa karatra fandoavana na mpanjifa handefasana lazambidy amin’ny fotoana rehetra.
      1. Mpanjifa Mampiasa Karatra Fandoavana. Ho an’ny fampiasana ny Workplace, dia hampandoavina sarany ny karatra fandoavany notondroin’ireo mpanjifa mampiasa karatra fandoavana.
      2. Mpanjifa Handefasana Lazambidy. Ireo mpanjifa handefasana lazambidy dia homen’i Meta sori-pahana ary handefasana lazambidy isam-bolana, raha tsy hoe angaha hafa no nifanekena ao amin’ny tahirinkevitra an-tsoratra vita sonia iray. Raha toa ianao ka ao anatin’ny sokajin’ny mpanjifa handefasana lazambidy, dia handoa ny sarany rehetra mila aloa araka ity Fifanekena ity, manontolo sy azo sitrahina avy hatrany araka izay asainay atao, ao anatin’ny 30 andro aorian’ny daty handefasana an’ilay lazambidy.
      3. Manaiky ianao fa izahay dia hanao izay hahazoana ny tatitra momba ny faham-bolan’ny fiharianao avy amin’ny birao momba ny faham-bola iray, rehefa manaiky an’ity Fifanekena ity ianao na amin’ny fotoana rehetra aorian’izay.
    3. Hetra. Ny sarany rehetra dia ambara ho tsy mahatafiditra ny hetra manan-kery tsy ankanavaka, ary ianao dia takina mba handoa sy hiandraikitra ny hetra na adidy amin’ny varotra, fampiasana, TPS, tataom-bidy, alaina ifotony, na ny toy izany, na eo an-toerana izany na ivelany, mifandraika amin’ireo fifanakalozana araka ity Fifanekena ity, ankoatran’ny hetra miorina amin’ny fidiram-bolan’i Meta. Haloanao feno ny tetibidy mila aloa araka ity Fifanekena ity, ary tsy hisy fanonerana, fanoherana amin’ny endrika fangatahana, fanesorana na fangalana ifotony izany. Raha toa ka iharan’ny fanesorana na fangalana ifotony ny fandoavana ataonao araka ity Fifanekena ity, ianao dia ho tompon’andraikitra amin’ny fanaovana izany fandoavana izany amin’ny manam-pahefana momba ny hetra mifanaraka aminy ary ho tompon’andraikitra amin’ny lafiny ara-bola momba ny zana-bola, sazy, onitra na maha tompon’antoka hafa vokatry ny tsy fanoloranao ara-potoana an’izany hetra izany amin’ny manam-pahefana na rantsa-mangaika ara-panjakana mifanaraka amin’izany. Miaiky ianao ary manaiky fa misitraka sy mampiasa ny Workplace avy ao amin’ilay adiresy fandefasan-dazambidy voalaza ato amin’ity Fifanekena ity na izay nomena an-tsoratra anay, ary raha toa izany adiresy izany ka any Etazonia, dia hampandoavinay hetra amin’ny varotra/fampiasana amerikanina miorina amin’ny toerana misy ny adiresy fandefasan-dazambidinao ianao. Raha toa ka manamafy ny manam-pahefana momba ny hetra amin’ny fanjakana iray any Etazonia fa tokony ho nanangona hetra avy aminao i Meta, ary ianao dia nandoa mivantana an’izany hetra izany tamin’ilay fanjakana, dia manaiky ianao fa hanome anay porofo hoe nandoa an’izany hetra izany tokoa (hanomezana fahafaham-po an’izany manam-pahefana momba ny hetra izany) ao anatin’ny telopolo (30) andro aorian’ny fangatahana an-tsoratra ataon’i Meta ho an’izany. Manaiky ianao ny hanonitra anay ny amin’izay fandoavana tsy feno na tsy fandoavana ny hetra, sazy na zana-bola tsy ankanavaka.
    4. Fampihantonana. Tsy misy fiantraikany amin’ny zonay hafa amin’ity Fifanekena ity, raha toa ianao ka tsy mandoa sarany tsy ankanavaka alohan’ny daty fetrandro, dia azonay atao ny mampihantona ny serivisy Workplace manontolo na amin’ny ampahany (anisan’izany ny fisitrahana serivisy andoavam-bola) raha mbola tsy vita manontolo ilay fandoavana.
    5. Fisitrahana Maimaimpoana ny Workplace for Good. Na dia eo aza ny Fizarana 4.a, raha toa ianao ka mangataka fisitrahana maimaimpoana araka ny fandaharanasa Workplace for Good sy faritan’i Meta fa mahafeno fepetra mifanaraka amin’ireo politikan’i Meta (azo jerena amin’izao ao amin’ny https://work.workplace.com/help/work/142977843114744), dia hanolotra anao Workplace maimaimpoana mifanaraka amin’ny politika toy izany manomboka amin’izay fotoana izay izahay. Raha toa ka lasa tsy mahafeno fepetra amin’ny fisitrahana maimaimpoana intsony ianao noho ny fiovana eo amin’ny politikanay, i Meta dia handefa fampandrenesana aminao telo (3) volana mialohan’izany, ary aorian’izany fampandrenesana izany dia hihatra ny Fizarana 4.a.
    6. Fanandramana Maimaimpoana. Miankina amin’ny fanapahan-keviny manokana, Meta dia mety hanolotra ho anao fanandramana maimaimpoana ny Workplace mandritra ny fe-potoana tsy miova intsony, ka ny faharetan’izany dia hofaritan’i Meta miankina amin’ny fanapahan-keviny irery ihany ary holazaina aminao amin’ny alalan’ny takilan’ny admin amin’ny Workplace-nao. Amin’ny faran’izany fanandramana maimaimpoana izany dia hihatra ny Fizarana 4.a (Sarany).
  5. Fitanan-tsiambaratelo
    1. Adidy. Ny antoko tsirairay dia manaiky fa ny fampahalalana ara-pihariana, ara-teknika ary ara-bola rehetra azony (amin’ny maha “Antoko Mpandray” azy) mifandray amin’ity Fifanekena ity avy amin’ny antoko mpamoaka (“Antoko Mpamoaka”) dia mahaforona ny fananana tsiambaratelo an’ilay Antoko Mpamoaka (“Fampahalalana Tsiambaratelo”), raha toa ka voafaritra ho tsiambaratelo na fananana ilay izy amin’ny fotoanan’ilay famoahana na tokony ho fantatry ilay Antoko Mpandray fa tsiambaratelo na fananana ilay izy noho ny karazan’ilay fampahalalana navoaka sy ny zava-miseho mifandray amin’ilay famoahana. Raha tsy hoe angaha omen-dalana mazava ato, ny Antoko Mpandray dia (1) hihazona ho tsiambaratelo sy tsy hamoaka Fampahalalana Tsiambaratelo amin’ny antoko fahatelo ary (2) tsy hampiasa Fampahalalana Tsiambaratelo ho an’ny tanjona hafa ankoatran’ny fanatanterahana an’ireo adidiny sy fampiharana an’ireo zony araka ity Fifanekena ity. Azon’ny Antoko Mpandray atao ny mamoaka Fampahalalana Tsiambaratelo amin’ny mpiasany, solontenany, mpiantok’asany na solontenany hafa manana antony azo ekena mba hahafantatra (anisan’izany, ho an’i Meta, ireo an’ny Rantsany sy ireo zana-mpiantok’asany voalaza ao amin’ny Fizarana 11.j), raha toa ka voafatotry ny adidy hitana tsiambaratelo izay miaro ny Fampahalalana Tsiambaratelo an’ny Antoko Mpamoaka araka ny voalaza ao amin’ny Fizarana 5 izy ireo ary raha toa ny Antoko Mpandray ka mijanona ho tompon’andraikitra amin’ny fanoavan’ny olona tsy ankanavaka toy izany an’ireo fepetra amin’ity Fizarana 5 ity.
    2. Tranga Maningana. Ny adidy fitanana tsiambaratelo an’ny Antoko Mpandray dia tsy hihatra amin’ny fampahalalana izay vitan’ny Antoko Mpandray ny manamarina fa: (a) teo am-pelatanany na efa fantany amin’ny fomba ara-dalàna mialohan’ny nandraisany an’ilay Fampahalalana Tsiambaratelo; (b) fantatry ny na lasa fantatry ny daholobe, kanefa tsy fahadisoan’ny Antoko Mpandray; (d) azon’ny Antoko Mpandray tamin’ny fomba ara-dalàna avy tamin’ny antoko fahatelo ary tsy nisy fanitsakitsahana adidy fitanan-tsiambaratelo tsy ankanavaka; na (e) novolavolain’ny mpiasan’ilay Antoko Mpandray amin’ny fomba mahaleo tena, ary izany mpiasa izany dia tsy nanana fisitrahana an’ilay fampahalalana. Ny Antoko Mpandray dia mahazo manao famoahana ao anatin’ny faratakatra takin’ny Lalàna na didy hitsivolana navoakan’ny fitsarana, raha toa (raha tsy hoe angaha voararan’ny Lalàna) ilay Antoko Mpandray ka mampandre mialoha ny Antoko Mpamoaka sy mandray anjara amin’ny ezaka atao mba hahazoana fikarakarana tsiambaratelo.
    3. Fepetra Azo Raisina Mahakasika Didy Mibaiko. Ny Antoko Mpandray dia miaiky fa ny fampiasana na ny famoahana Fampahalalana Tsiambaratelo mifanohitra amin’ity Fizarana 5 ity dia mety hiteraka fahavoazana lehibe, izay ny fahasimbana vokatr’izany fotsiny dia tsy ho fandraisana fepetra ampy, ka noho izany rehefa ahiana ny fisiana na tena misy izany fampiasana na famoahana ataon’ny Antoko Mpandray izany, ny Antoko Mpamoaka dia hanana zo hitady fepetra azo raisina ara-drariny ho fanampin’izay fepetra azo raisina hafa mety efa ananany araka ny lalàna.
  6. Zo Fizakam-pananana Ara-tsaina
    1. Fitompoam-pananan’i Meta. Ity dia fifanekena ho an’ny fisitrahana sy fampiasana ny Workplace, ary tsy misy zo amin’ny fitompoam-pananana ampitaina amin’ny Mpanjifa. I Meta sy ireo mpanome lisansiny dia mihazona ny zo, fizakam-pananana ary tombontsoa rehetra (anisan’izany ny zo fizakam-pananana ara-tsaina rehetra) anatin’ny sy amin’ny Workplace, Angon-drakitra Tambabe, izay teknolojia mifandraika sy ambadika tsy ankanavaka sy rehetra, ary izay sangan’asa nalaina avy amin’ireo, fanovana na fanatsarana an’ireo voalaza eo aloha noforonin’i Meta na noforonina amin’ny anaran’i Meta, anisan’izany araka ny Domberinao (voafaritra eo ambany). Tsy misy zo omena anao afa-tsy izay voalaza mazava ato amin’ity Fifanekena ity.
    2. Domberina. Raha toa ianao ka mampandroso kaomantera, fanontaniana, sosokevitra, tranga fampiasana na domberina hafa mifandraika amin’ny fampiasanao ny Workplace na ny API-ny na ny vokatra sy serivisinay hafa (“Domberina”), dia azonay atao ny mampiasa sy mitrandraka malalaka an’izany Domberina izany mifandray amin’ny vokatray na serivisinay tsy ankanavaka na ny an’ireo Rantsanay, kanefa tsy misy adidy na fanonerana aminao.
  7. Fialana andraikitra
    META DIA MIALA ANDRAIKITRA MAZAVA AMIN’IZAY FANOMEZANA ANTOKA SY FANAMBARANA AMIN’NY ENDRINY REHETRA, MIHARIHARY, AN-KOLAKA NA ARAKA NY LALÀNA, ANISAN’IZANY IZAY FANOMEZANA ANTOKA MOMBA NY FAHAZOA-MIVAROTRA, FETEZANA HO AN’NY FAMPIASANA IRAY MANOKANA, FIZAKAM-PANANANA NA TSY FANDIKAN-DALÀNA. TSY MANOME ANTOKA IZAHAY FA I WORKPKACE DIA TSY HISY FAHATAPAHANA NA FAHADISOANA. METY HAMELA AN’IREO ANTOKO FAHATELO MBA HAMOLAVOLA SY HANAO HO AZO SITRAHINA SERIVISY SY APPLICATION IZAY MAMENO NY FAMPIASANAO NY WORKPLACE IZAHAY NA METY HAMELA NY WORKPLACE MBA HO AFAKA HANAO FAMPIRAISAM-BOLO AMIN’NY SERIVISY SY APPLICATION. META DIA TSY TOMPON’ANDRAIKITRA NY AMIN’IZAY SERIVISY NA APPLICATION IZAY SAFIDINAO HAMPIASAINA MIFANDRAY AMIN’NY WORKPLACE. NY FAMPIASANA NY SERIVISY SY APPLICATION TOY IZANY DIA IHARAN’NY FEPETRA SY POLITIKA MANOKANA HAFA ARY IANAO DIA MIAIKY SY MANAIKY FA IANAO IHANY NO HIZAKA IZAY VOKATR’IZANY FAMPIASANA IZANY.
  8. Famerana ny Maha Tompon’antoka
    1. AFA-TSY IREO FITAKIANA TSY TAFIDITRA (VOAFARITRA EO AMBANY):
      1. IREO ANTOKO ROA DIA SAMY TSY HO TOMPON’ANTOKA AMIN’NY TSY FAHAFAHANA MAMPIASA, ANGON-DRAKITRA VERY NA TSY MARINA, FIATOAN’NY FIHARIANA, VIDIN’NY FAHATARANA NA IZAY FAHASIMBANA TSY MIVANTANA NA FIANTRAIKAN-JAVATRA ISAN-KARAZANY (ANISAN’IZANY NY FAHAVEREZANA TOMBONY), NA INONA NA INONA ENDRIK’ILAY FIHETSIKA, NA ARA-PIFANARAHANA, NA VOKATRY NY FAHADISOANA (ANISAN’IZANY NY FANAOVANA TSIRAMBINA), MAHATOMPON’ANTOKA TSY ILANA FAHADISOANA NA, ANKOATR’IZAY, NA DIA EFA AMPAHAFANTARINA MIALOHA MOMBA NY METY HISIAN’NY FAHAVOAZANA TOY IZANY AZA; ARY
      2. NY MAHA TOMPON’ANTOKA MANONTOLO AN’IREO ANTOKO TSIRAIRAY MANOLOANA NY ANTOKO ETSY ANDANINY DIA TSY HIHOATRA NY TETIBIDY NALOAN’NY NA AZON’NY MPANJIFA ALOA AMIN’I META MANDRITRA NY ROA AMBIN’NY FOLO (12) VOLANA VOALOHANY AMIN’ITY FIFANEKENA ITY NA, RAHA TSY MISY SARANY NALOA NA AZO ALOA MANDRITRA AN’IZANY FE-POTOANA IZANY, DIA IRAY ALINA DOLARA (10.000$).
    2. Ho an’ny tanjon’ity Fizarana 8 ity, ny hoe “Fitakiana Voailika” dia midika: (a) Ny mahatompon’antoka ny mpanjifa araka ny Fizarana 2 (Ny Angon-drakitrao sy ireo Adidinao); ary (b) ny fanitsakitsahan’ny antoko iray an’ireo adidiny ao amin’ny Fizarana 5 (Fitanan-tsiambaratelo) kanefa tsy anisany ireo fitakiana mifandraika amin’ny Angon-drakitrao.
    3. Ireo famerana ato amin’ity Fizarana 8 ity dia hitohy hihatra hatrany na dia hita aza fa tsy nahatratra ny tanjony fototra ny fandraisana fepetra voafetra voafaritra ato amin’ity Fifanekana ity, ary ireo antoko dia manaiky fa samy hampiditra na tsy hametra ny maha tompon’antoka azy ho an’izay rehetra tsy maintsy hampidirina na tsy azo ferana amin’ny lalàna. Ianao dia miaiky sy manaiky fa ny fanoloranay ny Workplace dia miorina amin’ny fiheverena fa voafetra ny maha tompon’antoka anay araka izay voalaza ato amin’ity Fifanekena ity.
  9. Fe-potoana sy Famaranana
    1. Fe-potoana. Ity Fifanekena ity dia hanomboka amin’ny daty hisitrahanao voalohany ny Workplace-nao ary hitohy mandra-pamaranana azy araka izay omen-dalana ato (ny “Fe-potoana”).
    2. Famaranana ho Tombontsoa. Tsy misy fiantraikany amin’ny zonao amin’ny famaranana araka ny andalana 2.d amin’ny Fanampin’ny Fikirakirana Angon-drakitra, dia azonao atao ny mamarana an’ity Fifanekena ity amin’ny fotoana rehetra, tsy voatery hisy antony na noho ny antony tsy ankanavaka, amin’ny fampandrenesana telopolo (30) andro mialoha amin’i Meta ataon’ny adminnao izay manapa-kevitra ny hamafa ny Workplacenao ao amin’ilay vokatra. Azon’i Meta atao koa ny mamarana an’ity Fifanekena ity amin’ny fotoana rehetra, tsy voatery hisy antony na noho ny antony tsy ankanavaka, ka handefa fampandrenesana telopolo (30) andro mialoha aminao izy ireo.
    3. Famaranana sy Fampihantonana Ataon’i Meta. Mety dia mety hampihatra ny zony hamarana an’ity Fifanekena ity miaraka amin’ny fampandrenesana mialoha anao araka ny antonony na hampihantona avy hatrany ny fisitrahanao ny Workplace raha toa ka manitsakitsaka an’ity Fifanekena ity ianao na raha toa izany fepetra izany ka heverinay fa mila raisina mba hiarovana ny fahalemana, fahamarinan-toerana, fisiana ary fahamarinan’ny Workplace.
    4. Famafana ny Angon-drakitrao. Meta dia hamafa ny Angon-drakitrao haingana aorian’ny famaranana an’ity Fifanekena ity, kanefa takatrao fa ny votoaty nofafana dia mety mbola hisy any amin’ireo dikafiandry mandritra ny fe-potoana araka ny antonony raha mbola eo am-panaovana ny famafana i Meta. Araka ny voalaza ao amin’ny Fizarana 2.e, ianao dia hany tompon’andraikitra amin’ny famoronana dikafiandrin’ny Angon-drakitrao ho an’ireo tanjonao manokana.
    5. Vokatry ny Famaranana. Rehefa vita ny famaranana tsy ankanavaka an’ity Fifanekena ity: (a) ianao sy ireo Mpampiasanao dia tsy maintsy manajanona avy hatrany ny fampiasana ny Workplace; (b) rehefa angatahin’ny Antoko Mpampoaka, ary mifanaraka amin’ny 9.d, ny Antoko Mpandray dia hamerina na hamafa haingana izay fampahalalana tsiambaratelo an’ny Antoko Mpamoaka eo am-pelatanany; (d) haloanao amin’i Meta izay sarany tsy voaloa niangona alohan’ny famaranana; (e) raha toa i Meta ka mamarana an’ity Fifanekena ity ary tsy misy antony izany mifanaraka amin’ny Fizarana 9.b, Meta dia hanonitra anao izay sarany naloanao mialoha amin’ny taha prorata (raha toa ka mihatra); ary (f) ireto Fizarana manaraka ireto dia hitohy hihatra: 1.c (Famerana), 2 (Fampiasana ny Angon-drakitrao sy Ireo Adidinao) (ankoatra ny lisansin’i Meta amin’ny Angon-drakitrao ao amin’ny Fizarana 2.a), 3.b (Famborahana Ara-dalàna sy Fangatahan’ny Antoko Fahatelo), 4 (Fandoavam-bola) hatramin’ny 12 (Famaritana). Ankoatran’izay mety ho voafaritra ato amin’ity Fifanekena ity, ny fampiharan’ny antoko tsirairay fandraisana fepetra, anisan’izany ny famaranana, dia tsy hisy fiantraikany amin’ny fepetra azo raisina hafa izay mety efa ananany araka ity Fifanekena ity, na amin’ny alalan’ny lalàna na amin’ny fomba hafa.
  10. Kaonty Facebook Hafa
    1. Kaonty Manokana. Mba hialana amin’ny fisalasalana, ny kaontin’ny mpampiasa dia tsy mitovy amin’ny kaonty Facebook manokana tsy ankanavaka zay mety foronin’ny Mpampiasa amin’ny serivisin’i Facebook ho an’ny mpanjifa (“Kaonty Facebook Manokana”). Ny Kaonty Facebook Manokana dia tsy iharan’ity Fifanekena ity, fa kosa iharan’ireo fepetran’i Meta ho an’izany serivisy izany, ka ny tsirairay amin’izany dia eo amin’i Meta sy ny mpampiasa voakasika.
    2. Workplace sy ny Doka. Tsy hampiseho dokam-barotry ny antoko fahatelo amin’ireo Mpampiasanao amin’ny Workplace izahay ary tsy hampiasa ny Angon-drakitrao hanolorana na hikendrena amin’ny dokam-barotra ireo Mpampiasanao na hanokanana traikefa ho an’ireo Mpampiasanao amin’ireo Kaonty Facebookn’izy ireo manokana. Azon’i Meta atao anefa ny manao fampandrenesana ao amin’ny vokatra na mampahafantatra ny mpandrindra rafitra momba ny fiasa na fampiraisam-bolo mifandraika amin’ny Workplace.
  11. Ankapobeny
    1. Fanovana. Azon’i Meta ovana amin’ny fotoana rehetra ny fepetra amin’ity Fifanekena ity sy ny politika voalaza na ampidirina ato amin’ity Fifanekena ity amin’ny fotoana rehetra, anisan’izany ny, kanefa tsy voafetra amin’ny, Fanampin’ny Fikirakirana Angon-drakitra sy ny Fanampin’ny Famindrana Angon-drakitra (mba hanoavana ny lalàna momba fiarovana angon-drakitra), Fanampin’ny Fahalemana Angon-drakitra ary ny Politika Momba ny Fampiasana Azo Ekena, amin’ny fandefasana aminao fampandrenesana amin’ny alalan’ny mailaka, amin’ny alalan’ilay serivisy na amin’ny fomba hafa mety (“Fanovana”). Ny fanohizanao mampiasa ny Workplace efatra ambin’ny folo (14) andro aorian’ny fampandrenesanay, dia midika ho fanekenao an’izany Fanovana izany.
    2. Lalàna Mifehy. Ity Fifanekena ity sy ny fampiasanao sy ny fampiasan’ny Mpampiasanao ny Workplace ary ihany koa izay fitakiana mety hipoitra eo aminay sy ianao, dia voafehin’ny, ary tsy maintsy voasana mifanaraka amin’ny, lalàn’i Etazonia sy ny Fanjakan’i Californie, araka izay manan-kery, tsy misy fiheverana ny toro lalany momba ny fifanoheran’ny lalàna. Izay fitakiana na anton’ny fitoriana mipoitra avy amin’ny na mifandraika amin’ity Fifanekena ity na ny Workplace dia tsy maintsy hatomboka any amin’ny Fitsaram-paritra Amerikanina ho an’ny Faritra Avaratr’i Californie na fitsaram-panjakana iray ao amin’ny Kaominin’i San Mateo irery ihany, ary ny antoko tsirairay dia manaiky etoana ny ho eo ambanin’ny fari-piadidiana manokana an’ny fitsarana toy izany.
    3. Fifanekena Manontolo. Ity Fifanekena ity (izay mahatafiditra ny Politika Momba ny Fampiasana Azo Ekena) dia ny fifanekena manontolo eo amin’ireo antoko mahakasika ny fisitrahanao sy fampiasanao ny Workplace ary manolo an’izay fanambarana na fifanekena tsy ankanavaka teo aloha mifandraika amin’ny Workplace. Ireo andohan-dahatsoratra dia ho fanamorana fotsiny ihany, ary ny teny toy ny hoe “anisan’izany” dia tokony voasana tsy misy famerana. Ity Fifanekena ity dia nosoratana amin’ny teny anglisy (Etazonia), ary izy io no hifehy raha toa ka misy fifanoherana amin’ny fandikan-teny tsy ankanavaka.
    4. Famoizana sy Fanasarahana. Ny tsy fahavitana mampihatra andinindininy iray dia tsy hoheverina ho famoizana; ny famoizana dia tokony hatao an-tsoratra sy hataon’ilay antoko voalaza fa namoy sonia. Izay fepetra amin’ny kaomandy fividianana na fisy ara-piharian’ny Mpanjifa dia tsy hanova an’ity Fifanekena ity ary lavina mazava etoana, ary ny taratasy toy izany dia ho an’ny tanjona ara-pitantanan-draharaha irery ihany. Raha toa ny andinindininy tsy ankanavaka amin’ity Fifanekena ity ka raisin’ny fitsarana manana fari-piadidiana mahefa ho tsy azo ampiharina, tsy mety na mifanohitra amin’ny lalàna, izany andinindininy izany dia hovoasana amin’ny fomba hahafahana manatratra araka izay tsara indrindra azo atao ny tanjona noeritreretina ho azy ary ireo andinindininy tavela amin’ity Fifanekena ity dia hitohy hanan-kery tanteraka.
    5. Fampahafantarana amin’ny besinimaro. Izay fampitam-baovao na fampielezana mifandray amin’ny marketing momba ny rohim-pifandraisan’ireo antoko dia ilana fankatoavana an-tsoratra mialoha avy amin’ireo antoko roa. Na dia eo aza ny voalaza eo aloha: (a) eo anivon’ny orinasanao, dia azonao atao ny mampahafantatra amin’ny besinimaro na manandratra ny fampiasana ny Workplace mandritra ny Fe-potoana (oh: mba handrisihana ny fizaran’ny Mpampiasa amin’ny fampiasana), mifanaraka amin’ny toromarik’i Meta momba ny fampiasana ny marika izay omena tsindraindray, ary (b) Meta dia mety hilaza ny anaranao sy ny toedraharahanao amin’ny maha mpanjifa Workplace.
    6. Fanendrena. Tsy misy amin’ireo antoko roa mahazo mamindra an’ity Fifanekena ity na ny zony na ny adidiny araka ity Fifanekena ity, raha tsy mahazo ny fanekena an-tsoratra avy amin’ilay antoko etsy andaniny aloha, kanefa maningana amin’izany, Meta dia mahazo mamindra an’ity Fifanekena ity tsy mila fanekena avy amin’ny Rantsany tsy ankanavaka na mifandray amin’ny fanakambanana, fandaminana indray, fahazoana na famindrana ny singam-pihariany na toedraharahany ahahafany mifidy rehetra na efa ho izy rehetra. Mifanaraka amin’io voalaza eo aloha io, ity Fifanekena ity dia hamatotra sy hisy vokany amin’ny tombontsoan’ireo mpandimby sy ireo nahazo fanendrena nomen-dalana an’ny antoko tsirairay. Ny fanendrena tsy nomen-dalana dia tsy manan-kery ary tsy hahatonga adidy ho an’i Meta.
    7. Mpiantok’asa Mahaleo Tena. Ireo antoko dia mpiantok’asa mahaleo tena. Tsy misy fanerana, fiaraha-miombon’antoka, fiaraha-manatanteraka tetikasa na asa sahanina foronina vokatr’ity Fifanekena ity ary tsy manana fahefana hamatotra ny andaniny ny ankilany.
    8. Tsy Misy Antoko Fahatelo Mahazo Tombontsoa. Ity fifanekena ity dia mitondra tombontsoa ho an’i Meta sy ny Mpanjifa ary tsy misy tombontsoa eritreretina ho an’ny antoko fahatelo, anisan’izany ny Mpampiasa tsy ankanavaka.
    9. Fampandrenesana. Raha hamarana an’ity Fifanekena ity mifanaraka amin’ny Fizarana 9.b ianao, dia tsy maintsy mampandre an’i Meta amin’ny alalan’ny mpandrindra rafitrao izay manapa-kevitra ny hamafa ny Workplace-nao ao amin’ny vokatra. Izay fampandrenesana hafa araka ity Fifanekena ity dia tsy maintsy atao an-tsoratra, izay tsy maintsy halefa amin’i Meta amin’ity adiresy manaraka ity (araka izay mihatra): raha amin’i Meta Platforms Ireland Ltd, dia amin’ny 4 Grand Canal Square, Dublin 2, Ireland, ho an’ny: Lalàna ary, raha amin’i Meta Platforms Inc, dia amin’ny 1 Hacker Way, Menlo Park, CA 94025 USA, ho an’ny: Lalàna. Meta dia mety handefa fampandrenesana amin’ny adiresy mailaka ao amin’ny kaontin’ny Mpanjifa. Meta ihany koa dia mety hanome fampandrenesana ara-pampandehanana mahakasika ny Workplace na fampandrenesana hafa mahakasika fihariana amin’ny alalan’ny hafatra ho an’ny Mpampiasa ao amin’ny Workplace na amin’ny alalan’ny petadrindrina miseho ao amin’ny Workplace.
    10. Zana-mpiantok’asa. Meta dia mety hampiasa zana-mpiantok’asa ary hamela azy ireo hampihatra an’ireo zon’i Meta araka ity Fifanekena ity, kanefa i Meta dia mijanona ho tompon’andraikitra amin’ny fanoavan’ny zana-mpiantok’asa tsy ankanavaka toy izany an’ity Fifanekena ity.
    11. Toe-javatra Tsy Azo Anoharana. Ny andininy dia tsy ho tompon’antoka amin’ny ankilany amin’izay fahatarana na tsy fahavitana ny fanatanterahana adidy tsy ankanavaka araka ity Fifanekena ity (afa-tsy ny tsy fahavitana mandoa sarany), raha toa ilay fahatarana na tsy fahavitana ka vokatry ny tranga tsy ampoizina izay mitranga aorian’ny fanaovan-tsonia an’ity Fifanekena ity ary tranga izay mihoatra an’izay azon’izany antoko izany fehezina, toy ny fitokonana, fahirano, ady, asa fampihorohoroana, fikomiam-bahoaka, loza araka ny natiora, tsy fiasana na fihenan’ny tanjaky ny tambajotra sy serivisy ho an’ny fifandraisan-davitra na Angon-drakitra, na fandavan’ny rantsa-mangaika na endri-pisian’ny fanjakana hanome lisansy na fanomezan-dalana iray.
    12. Tranonkala Antoko Fahatelo. Workplace dia mety hisy rohy mankany amin’ny tranonkala antoko fahatelo. Izany dia tsy midika ho fanohananay tranonkala tsy ankanavaka ary izahay dia tsy tompon’andraikitra amin’ny fihetsika, votoaty, fampahalalana na angon-drakitr’ireo tranonkala antoko fahatelo na ny fihetsika na izay rohy misy ao amin’izy ireny, na izay fanovana na fanavaozana amin’izy ireny. Ny tranonkala antoko fahatelo dia mety hanolotra fepetra ankapoben’ny fampiasana sy politika fitanan-tsiambaratelo azy manokana izay mihatra aminao sy ny Mpampiasanao, ary ny fampiasanao an’izany tranonkala antoko fahatelo izany dia tsy voafehin’ity Fifanekena ity.
    13. Fifehezana Fanondranana sy Sazy Ara-barotra. Amin’ny fampiasany ny Workplace, ny Mpanjifa dia manaiky ny hanoa ny lalàna sy fitsipika rehetra any Etazonia sy ny fari-piadidiana manan-kery hafa momba ny fanondranana sy fanafarana, ary ihany koa ny sazy na famerana ara-barotra manan-kery hafa. Tsy mametra an’io voalaza eo aloha io, ny Mpanjifa dia manambara sy manome antoka fa: (a) izy dia tsy ao anatin’ny lisitry ny antoko voarara na ferana tsy ankanavaka an’ny fanjakana amerikanina; (b) izy dia tsy iharan’ny sazy ara-toekarena na famerana ara-barotra manan-kery avy amin’ny ONU, Etazonia, UE na hafa; ary (d) izy dia tsy manana asa aman-draharaha na Mpampiasa any amin’ny firenena iharan’ny sazy ara-barotra feno avy amin’i Etazonia.
    14. Fepetra ho an’ny Fampiasan’ny Endri-pisiana Ara-panjakana. Raha toa ianao ka Endri-pisiana Ara-panjakana, dia manambara fa: (i) tsy misy lalàna, politika na torolalana manan-kery mametra anao tsy hanaiky sy hanatanteraka, na tsy hanaiky fanatanterahana, ny fepetra na andinindininy tsy ankanavaka amin’ity Fifanekena ity, (ii) tsy misy lalàna, politika na torolalana manova an’ny fepetra na andinindininy tsy ankanavaka amin’ity Fifanekena ity ho tsy azo ampiharina aminao na amin’ny Endri-pisiana Ara-panjakana tsy ankanavaka manan-kery, (iii) ianao dia mahazo lalana, ary manana ny fahafahana araky ny lalàna mifanaraka amin’ny lalàna, politika ary torolalana manan-kery mba hisolo tena sy hamatotra Endri-pisiana Ara-panjakana tsy ankanavaka manan-kery amin’ity Fifanekena ity; ary (iv) ianao dia miditra amin’ity Fifanekena ity miorina amin’ny fanapahan-kevitra tsy miangatra mahakasika ny lanjan’ny Workplace aminao sy ny Mpampiasanao ary tsy misy fanao tsy mendrika na fifanoherana tombontsoa namolavola ny fanapahan-kevitrao hiditra amin’ity Fifanekena ity. Aza miditra amin’ity Fifanekena ity raha toa ka tsy vitanao ny manao an’ireo fanambarana ato amin’ity Fizarana 11.n ity. Raha toa ny Endri-pisiana Ara-panjakana iray ka miditra amin’ity Fifanekena ity kanefa mandika an’ity Fizarana 11.n ity, Meta dia mety hanapa-kevitra ny hamarana an’ity Fifanekena ity.
    15. Mpaka Tombony. Azonao atao ny misafidy ny hisitraka sy hampiasa an’ny Workplace amin’ny alalan’ny Mpaka Tombony. Raha toa ianao ka misitraka sy mampiasa an’ny Workplace amin’ny alalan’ny Mpaka Tombony iray, ianao dia hany tompon’andraikitra amin’ny: (i) zo sy adidy tsy ankanavaka mifandraika amin’ny fifanekenao manan-kery miaraka amin’ny mpanijaranao Mpaka Tombony, ary (ii) eo aminao sy Meta, izay fisitrahan’ny mpanijaranao Mpaka Tombony an’ny Workplace-nao, Angon-drakitrao ary izay Kaontin’ny mpampiasa mety hoforoninao ho an’ny mpanijaranao Mpaka Tombony. Ho fanampin’izany, raha toa ianao ka misitraka sy mampiasa an’ny Workplace amin’ny alalan’ny Mpaka Tombony iray, dia manaiky ianao fa ny Fepetry ny Mpanjifa an’ilay Mpaka Tombony no ho lohalaharana eo amin’izay fepetra mifanohitra ato amin’ireto Fifanekena ireto.
  12. Famaritana
    Ato amin’ity Fifanekena ity, raha tsy hoe angaha hafa no voalaza:
    "Politika Momba ny Fampiasana Azo Ekena" dia midika hoe ireo fitsipika mahakasika ny fampiasana ny Workplace hita ato amin’ny www.workplace.com/legal/FB_Work_AUP, araka izay asiam-panovana tsindraindray.
    Rantsana” dia midika hoe endri-pisiana iray izay manana na mifehy mivantana na ankolaka, izay fananan’ny na fehezin’ny na ao anatina fizakam-pananana na fifehezana iombonana amin’ny antoko iray, ary ny hoe "mifehy" amin’izany dia midika hoe ny fahefana hitarika ny fitantanana na ny raharaha an’ny endri-pisiana iray, ary ny hoe "fizakam-pananana" dia midika hoe ny fizakam-pananana ahazoana tombony 50% (na, raha toa ka tsy mamela ny fizakam-pananana antsasa-manila ny fari-piadidiana manan-kery, dia ny tetibidy farany ambony azo ekena araka izany lalàna izany) na ny ankamaroan’ireo fizakam-pananana foto-karena misy zo fandatsaham-bato na ireo tombontsoa fandatsaham-bato mira amin’izany an’ilay endri-pisiana. Ho an’ny tanjon’ity famaritana ity, ny Endri-pisiana Ara-panjakana iray dia tsy Rantsan’ny Endri-pisiana Ara-panjakana iray hafa raha tsy hoe angaha ilay izy eo ambany fifehezana fenon’izany Endri-pisiana Ara-panjakana iray hafa izany.
    Fanampin’ny Fikirakirana Angon-drakitra” dia midika hoe ny fanampin’ny fikirakirana angon-drakitra ampiarahina, ary mahaforona ampahany, amin’ity Fifanekena ity, anisan’izany izay fepetra voalaza ao.
    Fanampin’ny Fahalemana Angon-drakitra” dia midika hoe ny fanampin’ny fahaleman’ny angon-drakitra ampiarahina, ary mandrafitra ny ampahany, amin’ity Fifanekena ity.
    "Endri-pisiana Ara-panjakana" dia midika hoe izay firenena na fari-piadidiana tsy ankanavaka eran-tany, anisan’izany ny, kanefa tsy voafetra amin’ny, vondrona na zana-pizarana ara-politika isam-panjakana, ifotony, monisipaly na isam-paritra hafa an’ny fanjakana, ny fikambanana sy fitaovana ary orinasa ara-panjakana tsy ankanavaka, na endri-pisiana hafa napetraka, fananana na fehezin’ny fanjakana toy izany, ary izay solontena an’ireo voalaza rehetra ireo.
    "Lalàna" dia midika hoe ny lalàna, fitsipika ary dina ifotony, isam-panjakana, federaly ary iraisam-pirenena manan-kery rehetra, anisan’izany, kanefa tsy voafetra amin’ny, ireo izay mifandraika amin’ny fitanan-tsiambaratelon’ny angon-drakitra sy ny famindrana angon-drakitra, serasera iraisam-pirenena, ny fanondranana angon-drakitra teknika sy manokana ary ny tsenam-baro-panjakana.
    "Mpaka Tombony" dia midika hoe mpiara-miombon’antoka antoko fahatelo iray izay manana fifanekena manan-kery amin’i Meta mamela azy ireo hivarotra haka tombony sy hanamora ny fisitrahana Workplace.
    "Fepetra ho an’ny Mpanjifan’ny Mpaka Tombony " dia midika hoe ireo fepetra hita ao amin’ny https://www.workplace.com/legal/FB_Work_ResellerCustomerTerms, araka izay havaozina tsindraindray, ary mandrafitra ny ampahany amin’ity Fifanekena ity, ary koa fepetra fanampiny eo amin’ireo antoko izay mihatra aminao, raha toa ianao ka misitraka sy mampiasa Workplace amin’ny alalan’ny Mpaka tombony iray.
    "Mpampiasa" dia midika hoe izay mpiasa sy mpiantok’asa tsy ankanavaka an’ireo Rantsanao, na olon-tsotra hafa izay omenao fahazoan-dalana hisitraka Workplace.
    "Workplace" dia midika hoe ny serivisy Workplace izay ataonay azonao sitrahina araka ity Fifanekena ity, ary izay kinova manaraka eo tsy ankanavaka, anisan’izany ny tranonkala, app, serivisy an-jotra, fitaovana ary votoaty tsy ankanavaka izay mety hatolotray anao araka ity Fifanekena ity, araka izay mety hasiam-panovana tsindraindray.
    "Angon-drakitrao" dia midika hoe (a) izay fomba fifandraisana na tambajotra na angon-drakitra mahakasika ny fanoratana anarana kaonty izay arosonao na aroson’ireo Mpampiasanao amin’ny Workplace; (b) izay votoaty na Angon-drakitra izay avoakanao, ataonao petadrindrina, zarainao, hafaranao na atolotrao na ny Mpampiasanao amin’ny Workplace; (d) fampahalalana izay angoninay rehefa mifandray aminay na mampiroboka anay ianao na ny Mpampiasanao mba hahazoana tohana mahakasika ny Workplace, anisan’izany ny fampahalalana momba ny fitaovana, rindrambaiko ary antsipiriany hafa atambatra mifandraika amin’ilay tohana; ary (e) izay fampahalalana momba ny fampiasana na fiasa (oh: adiresy IP, karazan’ny fitety sy rafitra mpandrindra, ary famantarana fitaovan-tserasera) mifandraika amin’ny fomba hifanaovan’ny Mpampiasa amin’ny Workplace.
    "Politikanao" dia midika hoe ireo politikanao manan-kery tsy ankanavaka momba ny mpiasa, rafitra, fitanan-tsiambaratelo, RH, fitarainana na politika hafa.







Fanampin’ny Fikirakirana Angon-drakitra

  1. Famaritana
    Ato amin’ity Fanampin’ny Fikirakirana Angon-drakitra ity, ny “RGPD” dia midika hoe ny Fitsipika Ankapoben’ny Fiarovana Angon-drakitra (Fitsipika (UE) 2016/679), ary ny “Mpifehy”, “Mpikirakira Angon-drakitra”, “Lazain’ny Angon-drakitra”, “Angon-drakitra Manokana ”, “Fanitsakitsahana Angon-drakitra Manokana” ary ny “Fikirakirana” dia tokony hanana dikany mitovy amin’izay amaritana azy ao amin’ny RGPD. Ny hoe “Kirakiraina” sy ny hoe “Mikirakira” dia tokony hovoasana mifanaraka amin’ny famaritana ny hoe “Fikirakirana”. Ny filazana momba ny RGPD sy ireo andinindininy dia mahatafiditra ny RGPD nasiam-panovana sy nampidirina ao amin’ny lalàn’i Royaume-Uni. Izay teny hafa rehetra voafaritra ato dia tokony hanana dikany mitovy amin’izay amaritana azy amin’ny toerana hafa ato amin’ity Fifanekena ity.
  2. Fikirakirana Angon-drakitra
    1. Eo am-panaovana an’ireo fihetsiny amin’ny maha Mpikirakira azy araka an’ity Fifanekena ity mifandray amin’ny Angon-drakitra Manokana tsy ankanavaka ao amin’ny Angon-drakitrao (“Angon-drakitrao Manokana”), Meta dia manamafy fa:
      1. ny faharetana, lohahevitra, karazana ary tanjon’ny Fikirakirana dia tokony ho araka izay voafaritra ao amin’ny Fifanekena;
      2. ireo karazana Angon-drakitra Manokana Kirakiraina dia tokony hiaty an’ireo voafaritra ao amin’ny famaritana ny Angon-drakitrao;
      3. ny sokajin’ny Lazain’ny Angon-drakitra dia mahatafiditra an’ireo solontenanao, Mpampiasanao ary izay olon-tsotra hafa fantatra na azo fantarina avy amin’ny Angon-drakitrao Manokana; ary
      4. ireo adidinao sy zonao amin’ny maha Mpifehy Angon-drakitra mifandray amin’ny Angon-drakitrao Manokana dia araka izay voalaza ato amin’ity Fifanekena ity.
    2. Raha toa i Meta ka Mikirakira ny Angon-drakitrao Manokana araka ny na mifandray amin’ny Fifanekena, Meta dia:
      1. tsy Hikirakira ny Angon-drakitrao Manokana raha tsy rehefa mifanaraka amin’ny torolalanao ihany araka izay voalaza ao amin’ity Fifanekena ity, anisan’izany ny mahakasika ny famindrana ny Angon-drakitrao Manokana, mifanaraka amin’izay zavatra maningana avelan’ny Andininy 28(3)(a) amin’ny RGPD;
      2. hanao azo antoka fa ireo mpiasany omen-dalana Hikirakira ny Angon-drakitrao Manokana araka ity Fifanekena ity dia nanaiky hitana tsiambaratelo na voafehin’ny adidy hitana tsiambaratelo araka ny tokony ho izy mifandray amin’ny Angon-drakitrao Manokana;
      3. hampiditra ny fepetra ara-teknika sy ara-pandrindrana voalaza ao amin’ny Fanampin’ny Fahalemana Angon-drakitra;
      4. hanaja an’ireo fepetra voalaza eo ambany ao amin’ny Fizarana 2.c sy 2.d amin’ity Fanampin’ny Fikirakirana Angon-drakitra ity rehefa manendry zana-Mpikirakira;
      5. hanampy anao amin’ny alalan’ny fepetra ara-teknika sy ara-pandrindrana sahaza, raha toa mbola azo atao hatrany izany amin’ny alalan’ny Workplace, mba hahafahanao manatanteraka an’ireo adidinao hamaly an’ireo fangatahana fampiharana zo ataon’ny Lazain’ny Angon-drakitra araka ny Toko III amin’ny RGPD.
      6. hanampy anao amin’ny fanaovana azo antoka ny fanoavana an’ireo adidinao mifanaraka amin’ny Andininy 32 hatramin’ny 36 amin’ny RGPD, eo am-piheverana ny karazan’ilay Fikirakirana sy ny fampahalalana azon’i Meta sitrahina;
      7. rehefa faranana ny Fifanekena, hamafa ny Angon-drakitra Manokana mifanaraka amin’ny Fifanekena, raha tsy hoe angaha mitaky ny fihazonana Angon-drakitra Manokana ny Lalàn’ny Vondrona Eoropeanina na ny Firenena Mpikambana aminy;
      8. hanao ho azonao sitrahina ny fampahalalana voasoritra ato amin’ity Fifanekena ity sy amin’ny alalan’ny Workplace mba hanatanterahana ny adidin’i Meta mba hanao ho azo sitrahina ny fampahalalana rehetra izay ilaina mba hanaporofoana ny fanoavana an’ireo adidin’i Meta araka ny Andininy 28 amin’ny RGPD; ary
      9. isan-taona, hanao izay hisian’ny mpanamarina ifotony (audit) antoko fahatelo iray miankina amin’ny safidin’i Meta mba hanao fanamarinana ifotony SOC 2 Type II na fanamarinana ifotony hafa manaraka ny fenitry ny sehatra an’ny fifehezan’i Meta mifandraika amin’ny Workplace, ary izany mpanamarina ifotony antoko fahatelo izany dia omenao fahefana etoana. Rehefa angatahinao, Meta dia hanome ho anao dikamitovin’ny tatitry ny fanamarinana ifotony misy amin’izay fotoana izay, ary ny tatitra toy izany dia heverina ho Fampahalalana Tsiambaratelon’i Meta.
    3. Ianao dia manome lalana an’i Meta mba haka ho mpiantok’asa ireo Rantsan’i Meta, sy antoko fahatelo hafa, mba hanatanteraka an’ireo adidiny amin’ny Fikirakirana Angon-drakitra araka ity Fifanekena ity, ary ny lisitr’izy ireo dia homen’i Meta anao rehefa hangatahinao an-tsoratra. Meta dia tsy hanao an’izany afa-tsy amin’ny alalan’ny fifanekena an-tsoratra miaraka amin’izany zana-Mpikirakira izany, izay mametraka adidy fiarovana angon-drakitra amin’ilay zana-Mpikirakira mitovy amin’ireo adidy apetraka amin’i Meta araka ity Fifanekena ity. Raha toa ka tsy mahavita manatanteraka an’izany adidy izany ilay zana-Mpikirakira, i Meta dia ho tompon’antoka tanteraka aminao amin’ny fanatanterahana ny adidy fiarovana angon-drakitry ny zana-Mpikirakira toy izany.
    4. Rehefa maka zana-Mpikirakira fanampiny na solony i Meta, Meta dia hampahafantatra anao an’izany zana-Mpikirakira fanampiny na solony izany tsy taran’ny efatra ambin’ny folo (14) andro mialohan’ny fanendrena an’izany zana-Mpikirakira fanampiny na solony izany. Azonao atao ny mandà ny fangalana an’izany zana-Mpikirakira fanampiny na solony izany ao anatin’ny efatra ambin’ny folo (14) andro aorian’ny ampahafantarin’i Meta anao an’izany amin’ny alalan’ny famaranana avy hatrany ny Fifanekena amin’ny alalan’ny fampandrenesana an-tsoratra an’i Meta.
    5. I Meta dia hampandre anao tsy misy hatak’andro rehefa mahafantatra fisiana Fanitsakitsahana Angon-drakitra Manokana mifandraika amin’ny Angon-drakitrao Manokana. Ny fampandrenesana toy izany dia tokony hisy, amin’ny fotoanan’ilay filazana na haingana araka izay azo atao aorian’ny filazana, antsipiriany sahaza momba an’ilay Fanitsakitsahana Angon-drakitra Manokana raha azo atao, anisan’izany ny isan’ny firaketanao voakasik’ilay izy, ny sokajy sy ny isa boriborina ny Mpampiasa voakasika, ny fiantraikan’ilay fandikana andrasana ary izay vahaolana misy na atolotra, araka izay mety, mba hanalefahana ny fiantraikany ratsin’ilay fandikana.
    6. Raha toa ny RGPD na ny lalàna momba ny fiarovana angon-drakitra any amin’ny EEA, Royaume-Uni na Soisa ka mihatra amin’ny Fikirakirana ny Angon-drakitrao araka ity Fanampin’ny Fikirakirana Angon-drakitra ity, ny Fanampin’ny Famindrana Angon-drakitra Eoropeanina dia manan-kery amin’ny famindrana angon-drakitra avy amin’i Meta Platforms Ireland Ltd ary mandrafitra ny ampahany, sy ampidirina amin’ny alalan’ny filazana, amin’ity Fanampin’ny Fikirakirana Angon-drakitra ity.
  3. Fepetra ho an’ny Mpikirakira any Etazonia
    1. Raha toa ny Fepetra Meta ho an’ny Mpikirakira any Etazonia ka mihatra, dia hahaforona ampahany, sy ampidirina amin’ny alalan’ny filazana amin’ity Fifanekena ity, afa-tsy ny Fizarana 3 (Adidin’ny Orinasa) izay tsy ampidirina mazava.









Fanampin’ny Fahalemana Angon-drakitra

  1. Sahan-kevitra sy Tanjona
    Ity tahirinkevitra ity dia manoritra ny fepetra takina farany ambany amin’ny fahalemana mihatra amin’ny fanoloran’i Meta ny Workplace ho anao.
  2. Rafitra Fitantanana Fahalemana Fampahalalana
    Meta dia nametraka ary hihazona Rafitra Fitantanana Fahalemana Fampahalalana (ISMS) iray natao mba hampiharana fanao momba ny fahalemana fampahalalana mifanaraka amin’ny fenitry ny sehatra mihatra amin’ny fanolorany ny Workplace. Ny ISMS an’i Meta dia natao mba hiarovana amin’ny fisitrahana, famoahana, fampiasana, fahaverezana na fanovana tsy nahazoan-dalana ny Angon-drakitrao.
  3. Fikirakirana ny Fitantanana Zavatra Atahorana
    Ny fahaleman’ny fampahalalana sy ny toerana fikirakirana fampahalalana, anisan’izany ny fotodrafitrasa informatika sy fitaovana azo raisin-tanana, dia tokony hiorina amin’ny fanombanana zavatra atahorana. Ny fanombanana zavatra atahorana ho an’ny Workplace dia hatao matetika.
  4. Fandaminana ny Fahalemana Fampahalalana
    Meta dia manana Mpiandraikitra ny fahalemana iray voatendry manana andraikitra ankapobeny ho an’ny fahalemana ao anatin’ny fikambanana. Meta dia manana mpiasa voatendry tompon’andraikitra amin’ny fanaraha-maso ny fahaleman’ny Workplace-nao.
  5. Fahalemana ho an’ny Zavatra Raisin-tanana sy ny Tontolo Manodidina
    Ireo fepetra ara-pahaleman’i Meta dia hahatafiditra fifehezana natao mba hanomezana antoka araka ny antonony fa ny fisitrahana mivantana ny toerana fikirakirana angon-drakitra dia voafetra ho an’ny olona nomen-dalana ary misy fifehezana ny tontolo manodidina apetraka mba hahitana, hisorohana ary hifehezana famotehana vokatry ny loza vokatry ny tontolo iainana. Anisan’ireo fifehezana ireo ny:
    Anisan’ireo fifehezana ireo ny:
    • Firaketana sy fanamarinana ifotony ny fisitrahan’ireo mpiasa sy mpiantok’asa mivantana rehetra an’ny toerana Fikirakirana Angon-drakitra;
    • Rafitra fakantsary manara-maso eo amin’ireo toerana fidirana saro-pady amin’ny toerana fikirakirana angon-drakitra;
    • Rafitra izay manara-maso sy mifehy ny mari-pana sy hamandoana ho an’ireo fitaovana solosaina; ary
    • Fanolorana herinaratra sy milina fiandry.
    Meta dia hampihatra fizotra manaraka ny fenitry ny sehatra ho an’ny famafana sy fanariana Angon-drakitra azo antoka amin’ny haino vaky jery elektronika, mifanaraka amin’ny Fifanekena.
  6. Fanasarahana
    Meta dia hametraka fiasa ara-teknika natao mba hahazoana antoka fa ny Angon-drakitrao dia sarahina araka ny tokony ho izy amin’ny angon-drakitry ny mpanjifa hafa ary mba hahazoana antoka fa ny Angon-drakitrao dia tsy ho azon’olon-kafa sitrahina afa-tsy ireo mampiasa nomen-dalana ihany.
  7. Mpiasa
    1. Fampiofanana
      Meta dia hanao azo antoka fa ny mpiasa rehetra afaka misitraka ny Angon-drakitrao dia manaraka fampiofanana mahakasika ny fahalemana.
    2. Fanasivanana sy Fizahana ny Mombamomba.
      Meta dia:
      • Hanana fikirakirana mba hanamarinana ny fiizian’ny mpiasa miasa amin’ny Workplace-nao.
      • Hanana fikirakirana mba hanaovana fizahana ny mombamomban’ny mpiasa miasa amin’ny Workplace-nao mifanaraka amin’ny fenitr’i Meta.
      Meta dia hanome karatra famantarana manokana misy sary sy anarana voasoratra ho an’ny mpiasa rehetra miasa amin’ny Workplace-nao. Hotakina izany karatra famantarana izany eo amin’ny fidirana amin’ny toeram-piasana Meta rehetra.
    3. Fanitsakitsahana Fahalemana Ataon’ny Mpiasa
      Meta dia hametraka sazy ho an’ny fisitrahana tsy nahazoan-dalana na tsy azo ekena ny Angon-drakitrao ataon’ny mpiasan’i Meta, anisan’izany ireo sazy miafara amin’ny sy idiran’ny famaranana.
  8. Fitsapana Fahalemana
    Meta dia hanao fitsapana matetika mahakasika ny fahalemana sy mba hahitana izay marefo mba hanombanana raha mipetraka araka ny tokony ho izy sy mahomby ny fifehy fototra.
  9. Fifehezana ny Fisitrahana
    1. Fitantanana Tenimiafin’ny Mpampiasa
      Meta dia hanana fizotra mipetraka ho an’ny Fitantanana Tenimiafin’ny Mpampiasa, izay natao mba hahazoana antoka fa ny tenimiafina dia an’ny tena manokana sy tsy azon’ireo olona tsy nomen-dalana sitrahina, anisan’izany farafahakeliny ny:
      • Fanomezana tenimiafina, anisan’izany fanamarinana ny fiizian’ny mpampiasa alohan’ny fanavaozana tenimiafina, fanovana izany na fanomezana tenimiafina vonjimaika.
      • Fanaovana soramiafina ny tenimiafina rehefa tehirizina ao amin’ny rafitra solosaina na miampita manerana ny tambajotra izany.
      • Fanovana ny tenimiafina voafantina mialoha rehetra avy amin’ny mpivarotra.
      • Tenimiafina matanjaka mifanandrify amin’ny fampiasana eritreretina ho azy ireo.
      • Fampahafantarana ny Mpampiasa.
    2. Fitantanana ny Fisitrahan’ny Mpampiasa
      Meta dia hametraka fizotra mba hanovana sy / na hanesorana ny zo hiditra sy ny famantarana ny mpampiasa, tsy misy hatak’andro. Meta dia hanana fizotra ho an’ny fanaovan-tatitra sy fanesorana ireo teny fidirana voasompatra (tenimiafina, token, sns) 24/7. Meta dia hametraka raki-pahalemana sahaza, anisan’izany ny famantarana mpampiasa sy ny tombok’ora. Ny famantaranandro dia tokony hatao mifanandrify amin’ny NTP.
      Ireto hetsika fara fahakeliny manaraka ireto dia tokony horaketina:
      • Fiovana Fanomezan-dalana;
      • Fanamarinana fiiziana sy fanandramana fidirana tsy nety na nety; ary
      • Fanatanterahana famakiana sy fanoratana.
  10. Fahaleman’ny Serasera
    1. Fahaleman’ny Tambajotra
      Meta dia hampiasa haitao izay mifanaraka amin’ny fenitry ny sehatra ho an’ny fanasarahana ny tambajotra.
      Ny fidirana amin’ny tambajotra baikon-davitra dia hitaky serasera voasoramiafina amin’ny alalan’ny fampiasana arofenitra azo antoka sy ny fampiasana fanamarinana anona maro.
    2. Fiarovana ny Angon-drakitra Miampita
      Meta dia hampihatra ny fampiasana arofenitra araka ny tokony izy natao mba hiarovana ny fitanan-tsiambaratelon’ny angon-drakitra miampita manerana ny tambajotra ho an’ny daholobe.
  11. Fahalemana Ara-pampandehanana
    Meta dia hametraka sy hihazona fandaharanasa fitantanana izay marefo ho an’ny Workplace, izay mahatafiditra famaritana anjara asa sy andraikitra, tompon’andraikitra manokana amin’ny fanaraha-maso izay marefo, fanombanana izay mety harefo ary fanapariahana patch.
  12. Fitantanana Olana Mitranga Mahakasika Fahalemana
    Meta dia hametraka sy hihazona planina famahana olana mitranga mahakasika fahalemana mba hanaraha-maso, hahitana mialoha ary hiatrehana olana mety mitranga mahakasika fahalemana izay mety hisy fiantraikany amin’ny Workplace. Ilay planina famahana olana mitranga mahakasika fahalemana dia hahatafiditra, fara fahakeliny, ny famaritana ny anjara asa sy andraikitra, serasera ary fandinihana aorian’ny fahavoazana, anisan’izany ny fandinihana ny olana fototra sy ny planina famahana olana.
    Meta dia hanara-maso ny Workplace mba hahitana fanitsakitsahana fahalemana sy fihetsika manimba tsy ankanavaka. Ny fikirakirana fanaraha-maso sy ireo teknika fahitana mialoha dia hatao mba hahafahana mahita mialoha olana mitranga mahakasika fahalemana izay misy vokany amin’ny Workplace-nao mifanaraka amin’ilay ambana voakasika sy ny ambana izay misy hatrany.
  13. Fitohizan’ny Fampandehanana
    Meta dia hihazona planina fitohizan’ny fampandehanana mba hamaliana fahamehana na toe-javatra maika izay mety hanimba ny Workplace-nao. Meta dia handinika amin’ny fomba ofisialy ny planiny fitohizan’ny fampandehanana, fara fahakeliny, indray mandeha isan-taona.
Nohavaozina farany: 27 Martsa 2023