Politika Fitanan-tsiambaratelo Workplace


Workplace from Meta dia vovonana an-jotra iray noforonin’i Meta izay ahafahan’ireo mpampiasa mifarimbona sy mizara fampahalalana ao am-piasana. Ny vovonana Workplace dia miaty an’ireo tranonkala sy app ary serivisy an-jotra mifandraika Workplace, miaraka ny "Serivisy".
Ity Politika Fitanan-tsiambaratelo ity dia manoritsoritra ny fomba anangonana sy ampiasana ary izarana ny fampahalalanao rehefa mampiasa ny Serivisy ianao.
Ny Serivisy dia natao hampiasain’ireo fikambanana sy araka ny torolalan’izy ireo ary atolotra ho anao avy amin’ilay orinasa mpampiasanao na fikambananao hafa izay nanome lalana ny fisitrahanao, sy ny fampiasanao, ny Serivisy (ny “Fikambananao”).
Ny Serivisy dia misaraka amin’ireo serivisy Meta hafa izay azonao ampiasaina. Ireo Serivisy Meta hafa ireo dia atolotr’i Meta anao sy fehezin’ireo fepetrany manokana. Saingy, ny Serivisy dia atolotry ny Fikambananao anao sy fehezin’ity Politika Fitanan-tsiambaratelo ity sy ny Politika Fampiasana Azo Eken’i Workplace sy Politika Fampiasana Kokizin’i Workplace.
Ny Fikambananao dia tompon’andraikitra amin’ny sy mandraharaha ny kaonty Workplacenao ("Ny Kaontinao"). Ny Fikambananao dia tompon’andraikitra amin’ny fanangonana sy fampiasana angon-drakitra tsy ankanavaka izay arosonao na omenao amin’ny alalan’ny Serivisy ary ny fampiasana toy izany dia fehezin’ireo fepetra apetraky ny Fikambanana amin’ny Meta.
Fanampin’ity Politika Fitanan-tsiambaratelo ity, ny Fikambananao dia mety manana politika fanampiny na fitsipi-pitondrantena izay hihatra mahakasika ny fampiasanao ny Serivisy.
Raha manana fanontaniana tsy ankanavaka momba ny fampiasanao ny Serivisy ianao, dia mifandraisa amin’ny Fikambananao azafady.

I. Karazana fampahalalana inona avy no angonina?
Ny Fikambananao dia hanangona an’ireto karazana fampahalalana manaraka ireto rehefa misitraka ny Serivisy ianao, ireo mpiara-miasa aminao na ireo mpampiasa hafa:
  • ny fampahalalam-pifandraisanao, toy ny anarana feno sy ny adiresy mailaka;
  • ny anara-mpampiasanao sy ny tenimiafinao;
  • ny toerana sahaninao, ny fampahalalan’ny sampan-draharahanao ary fampahalalana hafa mifandraika amin’ny asanao na Fikambananao;
  • ireo votoaty sy serasera ary fampahalalana hafa omenao rehefa mampiasa ny Serivisy ianao, anisan’izany rehefa misoratra anarana hanana kaonty iray, mamorona na mizara votoaty, sy mandefa hafatra na mifanerasera amin’ny hafa ianao. Mety ho anisan’izany ny fampahalalana anatin’ny na momba ny votoaty omenao (toy ny metadata), toy ny toerana nakana sary iray na ny daty namoronana rakitra iray.
  • ireo votoaty sy serasera ary fampahalalana omen’ireo olona rehefa mampiasa ny Serivisy izy ireo. Mety ho anisan’izany ny fampahalalana momba anao, toy ny rehefa mizara na manisy kaomantera amin’ny sarinao, mandefa hafatra aminao na mampiakatra, mampifandrindra na manafatra ny fampahalalam-pifandraisanao izy ireo.
  • ny serasera rehetra ifanaovana amin’ireo mpampiasa hafa mampiasa ny Serivisy;
  • ireo serasera, domberina, sosokevitra ary hevitr’ireo mpampiasa alefa amin’ny Fikambananao;
  • ireo fampahalalana momba ny lazambidy; ary
  • ireo fampahalalana omenao rehefa mifandray na mifanao amin’ny tohan’ny vovonana mahakasika ny Serivisy ianao na ny Fikambananao.

II. Ahoana no fampiasan’ny Fikambananao an’ireo fampahalalana ireo?
Ny Fikambananao dia hizara ny fampahalalana angoniny amin’i Meta, toa mpamatsin’ilay vovonana, mba hahafahan’i Meta manolotra sy manohana ny Serivisy ho an’ny Fikambananao sy ho an’ireo mpampiasa hafa ary araka ny torolanana hafa tsy ankanavaka avy amin’ny Fikambananao. Anisan’ny fampiasana toy izany ohatra ny:
  • mifanerasera amin’ireo mpampiasa sy ireo admin mahakasika ny fampiasan’izy ireo ny Serivisy;
  • manabe voho ny fahalemana sy ny arolozan’ny Serivisy ho an’ny Fikambananao sy ho an’ireo mpampiasa hafa, toy ny manadihady fihetsika mampiahiahy na ireo fanitsakitsahana fepetra na politika voakasika;
  • manokana traikefa ho anao sy ho an’ny Fikambananao toa ampahan’ny fanoloranay ny Serivisy;
  • mamolavola fitaovana, vokatra na serivisy vaovao ao anatin’ny Serivisy ho an’ny Fikambananao;
  • mampifandray fihetsika amin’ny Serivisy eran’ireo fitaovan-tserasera ampandehanin’ny olon-tsotra mitovy ihany mba hanatsarana ny fandehanana ankapoben’ny Serivisy;
  • mamantatra sy mamaha bug izay mety hisy; ary
  • manatontosa rindram-pamakafakana angon-drakitra sy rafitra, anisan’izany ny fikarohana hanatsarana ny Serivisy.

III. Famborahana fampahalalana
Ny Fikambananao dia mamboraka ny fampahalalana voaangona amin’ireto fomba manaraka ireto:
  • amin’ireo mpamatsy serivisy antoko fahatelo izay manampy amin’ny fanolorana ny Serivisy na ampahan’ny Serivisy;
  • amin’ireo app, tranonkala na serivisy hafa antoko fahatelo izay azonao ifandraisana amin’ny alalan’ny Serivisy;
  • misy ifandraisany amina fifanakalozan’orinasa manan-danja iray, toy ny famindrana ny Serivisy, fitambaran’orinasa, fanamafisam-pananana, fivarotam-pananana na amin’ny trangana bankirompitra na tsifahaloavan-trosa tsy angambaina;
  • mba hitandroana ny arolozan’ny olona tsy ankanavaka; mba hamahana olana momba ny hosoka, fahalemana na ara-tekinika; ary
  • misy ifandraisany amin’ny fampiantsoan’ny fitsarana, didy fampisavana, baiko fampahitana na fangatahana na baiko hafa avy amin’ny masoivohon’ny fitandroam-pilaminana.

IV. Fisitrahana sy fanovana ny fampahalalanao
Ianao sy ny Fikambananao dia mahazo misitraka, manitsy na mamafa fampahalalana izay nampiakarinao ho amin’ny Serivisy tamin’ny alalan’ireo fitaovana ao anatin’ny Serivisy (ohatra: ny fampahalalan’ny mombamomba anao na amin’ny alalan’ny Rakitry ny fihetsika). Raha tsy afaka manao izany amin’ny alalan’ireo fitaovana atolotry ny Serivisy ianao, dia tokony hifandray amin’ny Fikambananao mivantana ianao mba hisitrahana na hanovana ny fampahalalanao.

V. Fefimeran’ny Fitanan-tsiambaratelon’ny Angon-drakitra Vondrona Eoropeanina-Etazonia
I Meta Platforms, Inc. dia nanamarina ny fandraisany anjara amin’ny Fefimeran’ny Fitanan-tsiambaratelon’ny Angon-drakitra Vondrona Eoropeanina-Etazonia. Izahay dia miankina amin’ny Fefimeran’ny Fitanan-tsiambaratelon’ny Angon-drakitra Vondrona Eoropeanina-Etazonia sy ny fanapahan-kevitra araka ny fahasahaza mifandraika an’ny Vaomiera Eoropeanina, ho an’ireo famindrana fampahalalana any amin’i Meta Platforms, Inc. any Etazonia ho an’ireo vokatra sy serivisy voatondro anatin’io fanamarinana io. Mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa, dia diniho azafady ny Famborahana Fefimeran’ny Fitanan-tsiambaratelon’ny Angon-drakitra an’i Meta Platforms, Inc.

VI. Rohy sy votoaty antoko fahatelo
Ny Serivisy dia mety hisy rohy mankany amin’ny votoaty kojakojain’ny antoko fahatelo izay fehezin’ny Fikambananao. Tokony handinika ny politika fitanan-tsiambaratelon’ny tranonkala tsirairay tsidihinao ianao.

VII. Fanakatonana Kaonty
Raha te-hampijanona ny fampiasana ny Serivisy ianao, dia tokony hifandray amin’ny Fikambananao. Tahaka izay koa, raha mijanona tsy miasa ho an’ny na miaraka amin’ny Fikambananao ianao, dia mety mampihantona ny Kaontinao sy/na hamafa fampahalalana tsy ankanavaka misy ifandraisany amin’ny Kaontinao ilay Fikambanana.
Mazàna maharitra 90 andro eo ho eo ny amafana kaonty iray aorian’ny fanakatonana kaonty, saingy mety hijanona anatin’ireo dikamitovy fiandry mandritra ny vanim-potoana antonony ny fampahalalana sasany. Mariho azafady fa ny votoaty foroninao sy zarainao ao amin’ny Serivisy dia fananan’ny Fikambananao ary mety hijanona ao amin’ny Serivisy sy ho azo sitrahina na dia mamono na mampitsahatra ny Kaontinao aza ny Fikambananao. Amin’ity fomba ity, ny votoaty atolotrao ao amin’ny Serivisy dia mitovy amin’ireo karazam-botoaty hafa (toy ireo famelabelaran-kevitra na tsiahy kely) izay mety hovokarinao mandritra ny asanao.

VIII. Fanovana ny Politika Fitanan-tsiambaratelo
Mety hohavaozina ity Politika Fitanan-tsiambaratelo ity tsindraindray. Rehefa havaozina, dia hahitsy ilay daty “nohavaozina farany" etsy ambany ary havoaka an-jotra ilay Politika Fitanan-tsiambaratelo vaovao.

IX. Mifandray amin’i
Raha manana fanontaniana momba an’ity Politika Fitanan-tsiambaratelo ity na ny Politika Fampiasana Azo Eken'i Workplace ianao, dia mifandraisa amin’ny Fikambananao amin’ny alalan’ny Admin an’ny Fikambananao azafady.
Ho an’ireo mponin’i Californie, ianao dia afaka mamantatra misimisy momba ny zonao amin’ny fitanan-tsiambaratelon’ny mpanjifa amin’ny alalan’ny fifandraisana amin’ny Fikambananao amin’ny alalan’ny Admin an’ny Fikambananao.

Nohavaozina farany: 10 Oktobra 2023