Politika Fitanan-tsiambaratelon’ny Workplace Marketing

Nahitsy farany: faha-10 Oktobra 2023
TABILAON’NY VOTOATY
  1. Fampahalalana lalàna
  2. Fampahalalana angoninay
  3. Ahoana no hikirakirainay ny fampahalalanao
  4. Fampahalalana zarainay
  5. Ahoana no hampiharanao ny zonao
  6. Fihazonana ny fampahalalanao
  7. Asa aman-draharahanay eran-tany
  8. Antony ara-dalàna hanaovanay fikirakirana
  9. Fanavaozana ny Politika Fitanan-tsiambaratelo
  10. Iza no tompon’andraikitra amin’ny fampahalalanao
  11. Mifandray aminay

1. Fampahalalana Lalàna

Ity politika fitanan-tsiambaratelo ity (“Politika Fitanan-tsiambaratelo”) dia manazava ny fanaonay amin’ny resaka angon-drakitra mifandray amin’ny fanolorana ireo Tranonkalanay, anisan’izany ny workplace.com (“Ireo Tranonkala”) (misaraka amin’ireo Serivisy Workplace), ary ireo fihetsikay mifototra amin’ny marketing sy domberina (amin’ny fitambarany “Ireo Fihetsika”). Ato amin’ity Politika Fitanan-tsiambaratelo ity, dia hazavainay ny fampahalalana angoninay momba anao mifandray amin’ireo Tranonkalanay sy Fihetsikay. Hazavainay avy eo hoe ahoana no hikirakiranay sy hizaranay izany fampahalalana izany ary ahoana no azonao ampiharana ireo zo mety hanananao.
“Meta”, “izahay”, “anay” na “nay” dia midika hoe ny endri-pisiana Meta tompon’andraikitra amin’ny fanangonana sy fampiasana ny angon-drakitr’olona manokana fehezin’ity Politika Fitanan-tsiambaratelo ity araka ny voalaza ao amin’ny “Iza no tompon’andraikitra amin’ny fampahalalanao”.
Ireo Serivisy Workplace: Ity Politika Fitanan-tsiambaratelo ity dia tsy mihatra amin’ny fampiasanao ny vokatra Workplace an-jotra izay atolotray ho an’ny mpanjifanay, izay mamela ny mpampiasa hifarimbona sy hizara fampahalalana eo am-piasana, anisan’izany ny vokatra, app, ary ny serivisy an-jotra mifandraika an’ny Workplace (amin’ny fitambarany atao hoe "Ireo Serivisy Workplace"). Ny fampiasanao ny Serivisy Workplace dia fehezin’ny “Politika Fitanan-tsiambaratelo Workplace” hita ato.

2. Fampahalalana angoninay

Ireto manaraka ireto ny fampahalalana momba anao angoninay:
Ny Fampahalalam-pifandraisanao. Angoninay ny adiresy mailakao sy ny fampahalalana fototrao toy ny anaranao, anaran’asanao, anaran’ny fikambananao, ary ny laharan-telefaoninao raha toa, ohatra, ianao ka mangataka fampahalalana mifandray amin’ireo vokatray toy ny Workplace, mampidina enti-manana, misoratra anarana ho an’ny fitaovana marketing, mangataka fanandramana maimaimpoana, na manatrika iray amin’ireo hetsikay na fivorianay. Raha tsy manome anay an’izany fampahalalana izany ianao, ohatra, dia tsy ho afaka hamorona kaonty hanombohana ny fanandramanao maimaimpoana ny Workplace. Raha adminan’ny kaontin’ny fikambananao ianao, dia angoninay ny fampahalalam-pifandraisanao rehetra manaiky ny handray serasera elektronika mifandraika amin’ny marketing avy aminay ianao.
Fampahalalana Omenao Anay. Rehefa mifandray aminay ianao, dia mety hanome anay fampahalalana hafa. Ny karazan’ilay fampahalalana dia miankina amin’ny antony hifandraisanao aminay. Ohatra, raha manana olana mifandraika amin’ny fampiasanao ireo Tranonkalanay ianao, dia mety hanome anay fampahalalana heverinao fa hanampy amin’ny famahana ilay olanao, miaraka amin’ny antsipiriany mahakasika ny fomba hifandraisana aminao (oh: adiresy mailaka iray). Ohatra, mety handefa mailaka iray misy fampahalalana mifandray amin’ny fahombiazan’ny Tranonkalanay na olana hafa ianao. Toy izany koa, raha mangataka aminay fampahalalana momba ireo Serivisy Workplace, ohatra, ianao, dia mety hilaza aminay ny toerana iasanao na fampahalalana hafa hanampy anay hamaly ny fangatahanao.
Fampahalalana Fitsapan-kevitra sy Domberina. Mahazo fampahalalana momba anao ihany koa izahay rehefa misafidy ny handray anjara amin’ny iray amin’ireo fitsapan-kevitray na vondrona fakanay domberina ianao. Izahay, ohatra, dia miara-miasa amin’ny mpamatsy serivisy antoko fahatelo izay manao fitsapan-kevitra sy fangalana domberina ho anay, toy ny fampiantranoana fiombonamben’ny mpanjifa Workplace izay nisafidy ny ho anisan’ireo hanome domberina. Ireo orinasa ireo dia manome anay fampahalalana angoniny momba anao ao anatin’ny toe-javatra sasany, anisan’izany ny taonanao, fananahana, mailaka, antsipiriany momba ny anjara asa ara-piharianao, ny fomba ampiasanao ny vokatray, ary ny domberina omenao.
Fampahalalana momba ny Fampiasana sy ny Rakitatitra. Manangona fampahalalana momba ny fihetsikao amin’ireo Tranonkalanay izahay, toy ny fampahalalana mifandraika amin’ny serivisy, fizahana taratra, ary fahombiazana. Tafiditra amin’izany ny fampahalalana momba ny fihetsikao (anisan’izany ny fomba fampiasanao ny Tranonkalanay, sy ny fotoana, hatetika, ary faharetan’ireo fihetsikao), antontan-drakitra, ary rakitra sy tatitra momba ny fizahana taratra, fahasimbana, tranonkala, ary fahombiazana.
Fampahalanana momba ny Fitaovan-tserasera sy ny Fifandraisana. Manangona fampahalalana momba ny fitaovan-tserasera sy fifandraisana izahay rehefa misitraka na mampiasa ireo Tranonkalanay ianao. Tafiditra amin’izany ny fampahalalana toy ny modelin’ny fitaovana, fampahalalana momba ny rafitra mpandrindra, haavon’ny vatoaratra, tanjaky ny signaly, kinovan’ny app, fampahalalana momba ny fitety, tambajotra finday, fampahalalana momba ny fifandraisana (anisan’izany ny laharan-telefaonina, mpandraharaha finday na ISP), fiteny sy faritr’ora, adiresy IP, fampahalalana momba ny asa aman-draharahan’ny fitaovan-tserasera, ary famantarana (anisan’izany ny famantarana voatokana ho an’ireo Vokatr’ireo Orinasa Meta mifandray amin’ilay fitaovan-tserasera na kaonty io ihany).
Kokizy. Mampiasa Kokizy ireo Tranonkalanay. Ny kokizy dia singan’angon-drakitra kiritika iray izay alefan’ny Tranonkalanay amin’ny fitetin’ny mpampiasa iray, izay azo tehirizina ao amin’ny kapila mateza an’ilay mpampiasa avy eo mba hahafahanay mamantatra ny solosaina na fitaovan-tseraseran’ilay mpampiasa rehefa miverina izy. Mampiasa teknolojia hafa manana fiasa mitovy amin’izany koa izahay. Azonao atao ny mamantatra misimisy hoe ahoana ny fomba fampiasanay kokizy sy teknolojia mitovy amin’izany amin’ny Tranonkalanay Workplace ao amin’ny Politika Fampiasana Kokizinay.
Fampahalalan’ny Antoko Fahatelo. Rehefa miara-miasa amin’ny mpamatsy serivisy antoko fahatelo sy mpiombon’antoka izahay mba hanampy anay hampandeha, hanolotra, hanatsara, hahazo, hanokana, na hanohana ireo Tranonkalanay na Fihetsikay, dia manangona fampahalalana avy amin’izy ireo momba anao izahay.
Ireo Orinasa Meta. Manangona fampahalalana avy amin’ireo fotodrafitrasa sy rafitra ary teknolojia zaraina amin’ireo Orinasa Meta hafa izahay amin’ny toe-javatra voatondro. Mikirakira fampahalalana momba anao eran’ireo Vokatr’ireo Orinasa Meta ary eran’ireo fitaovan-tseraseranao ihany koa izahay araka ny fepetra sy politikan’ny vokatra tsirairay ary araka izay avelan’ny lalàna manan-kery.
Ny fampahalalana voangona mandritra ny fampiasanao ny Serivisy Workplace dia voafehin’ny Politika Fitanan-Tsiambaratelo Workplace, izay mifehy ny fomba fikirakirana ny fampahalalanao rehefa mampiasa ny Serivisy Workplace ianao.

3. Ahoana no hikirakirainay ny fampahalalanao

Mampiasa ny fampahalalana anananay izahay (voafehin’ny safidy ataonao sy ny lalàna manan-kery) mba hampandehanana, hanolorana, hanatsarana, hahazoana, hanokanana, na hanohanana ireo Tranonkalanay sy Fihetsikay.
Hanolorana, hanatsarana, ary hamolavolana ny Tranonkalanay sy Fihetsikay.
Mamakafaka ny fampahalalanao izahay mba hanolorana sy hanatsarana ary hamolavolana ny Tranonkalanay sy ireo Fihetsikay. Tafiditra amin’izany ny famelana anao hampiasa sy hitety amin’ny ankapobeny ireo Tranonkalanay, hifandray aminay mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa, hisitraka enti-manana fanampiny, ary hisoratra anarana amin’ny fanandramana maimaimpoana. Hampiasa ny fampahalalanao koa izahay mba hanatanterahana ireo fihetsikay marketing mifanaraka amin’ity Politika Fitanan-tsiambaratelo ity. Hampiasa ny fampahalalanao koa izahay mba hanolorana, hanatsarana, ary hamolavolana fitsapan-kevitra sy/na fangalana domberina izay nandraisanao anjara.
Hahazoana Izay Irin’ny Mpanjifa sy Tiany.
Mihevitra sy mamakafaka ny fampahalalanao sy domberinao izahay raha mandray anjara amin’ny fangalana domberina na fandinihana domberina hafa ianao (ohatra hoe rehefa mitsapa hevitra vaovao ary manao topimaso fiasan’ny Workplace ianao). Manao izany izahay mba hahazoana hoe inona no irin’ny mpanjifa sy tiany, ohatra mba hampahafantarana raha hanova na hampiditra fiasa vaovaon’ny Workplace na vokatra na serivisy hafa, ary mba hahazoana haitsikaritra hafa. Ny fampahalalana azo avy amin’ny fandraisanao anjara amin’ny fangalana domberina na fandinihana domberina hafa dia hatambatra sy hampiasaina amin’ny endrika tsy azo amantarana, ary raha misy tenin’olona na fihetseham-po ao amin’ilay domberina na tatitra haitsikaritra, dia tsy holazain’ilay tatitra ho avy aminao manokana izany.
Hifaneraserana aminao.
Mampiasa ny fampahalalana anananay izahay mba handefasana serasera marketing aminao sy hifaneraserana aminao momba an’ireo Tranonkalanay sy Fihetsikay, ary hampahafantarana anao ny momba an’ireo politikanay sy fepetranay. Mampiasa ny fampahalalanao koa izahay mba hamaliana anao rehefa mifandray aminay ianao.
Hanolorana, hanokanana, handrefesana, ary hanatsarana ny marketing sy dokambarotray.
Azonay atao ny mampiasa ny fampahalalanao ho an’ny doka voakendry, anisan’izany ny amin’ny alalan’ny tambajotra antoko voalohany ary antoko fahatelo ary ho an’ny famoronana mpahita mifanahaka, mpahita voatokana, ary fandrefesana amin’ny tambajotran-doka antoko voalohany na antoko fahatelo.
Hitandroana ny aroloza sy ny maha iray tsy mivaky ary ny fahalemana.
Mamakafaka ny fampahalalana momba ny fitaovan-tseraseranao sy ny fifandraisanao izahay mba hahitana sy hanadihadiana izay mety ho fitondran-tena mampiahiahy.
Hihazonana sy hizarana fampahalalana amin’ny hafa, anisan’izany ny mpitandro filaminana ary hamaliana an’ireo fangatahana ara-dalàna.
Mikirakira ny fampahalalanao izahay rehefa manoa adidy ara-dalàna anisan’izany, ohatra, ny fisitrahana, fihazonana, ary ny famoahana fampahalalana sasany raha misy fangatahana ara-dalàna manan-kery avy amin’ny mpanara-maso ny fampiharana lalàna, mpitandro filaminana, na hafa. Tafiditra amin’izany ny famaliana ireo fangatahana ara-dalàna, izay tsy takin’ny lalàna manan-kery hataonay kanefa heverinay amin’ny saina tsy miangatra fa takin’ny lalàna ao anatin’ilay fari-piadidiana mihatra, na ny fizarana fampahalalana amin’ny mpitandro filaminana na amin’ny indostria mpiombon’antoka mba hiadiana amin’ny fanao manararaotra na tsy ara-dalàna. Mihazona sary indray mipikan’ny fampahalalan’ny mpampiasa, ohatra, izahay rehefa takin’ny mpitandro filaminana izany satria ilaina amin’ny fanadihadiana iray. Mihazona ary mizara fampahalalana izahay rehefa mitady torohevitra ara-dalàna na miaro ny tenanay rehefa misy tsy fifanarahana na fitsipahana hafa. Tafiditra amin’izany ny raharaha toy ny fanitsakitsahana an’ireo fepetranay sy politikanay. Amin’ny tranga sasany, ny tsy fanomezanao anay ny fampahalalanao manokana rehefa takin’ny lalàna izany dia mety hahatonga anao sy Meta handika ny lalàna manan-kery.

4. Fampahalalana zarainay

Mitaky ireo mpiombon’antoka sy antoko fahatelo izahay mba hanaraka fitsipika momba ny hoe ahoana no azon’izy ireo sy tsy azon’izy ireo ampiasana sy amoahana ny fampahalalana omenay. Indreto tsipiriany bebe kokoa momba ny hoe iza no izaranay fampahalalana:
Mpiombon’antoka sy Mpamatsy Serivisy Antoko Fahatelo: Miara-miasa amin’ny mpiombon’antoka antoko fahatelo sy mpamatsy serivisy antoko fahatelo izahay mba hanampy anay hikarakara ireo Tranonkalanay sy Fihetsikay. Miankina amin’izay fomba hanohanany anay na hiarahany miasa aminay, rehefa mizara fampahalalana amin’ny mpamatsy serivisy antoko fahatelo izahay ao anatin’izany, dia mitaky azy ireo hampiasa ny fampahalalanao amin’ny anaranay mifanaraka amin’ny torolalanay sy fepetranay. Miara-miasa amin’ny mpiombon’antoka sy mpamatsy serivisy isan-karazany izahay, izany hoe ireo izay manohana anay amin’ny marketing, famakafakana, fitsapan-kevitra, fangalana domberina, ary ny fanatsarana ireo vokatray sy serivisinay.
Ireo Orinasa Meta: Mizara ny fampahalalana angoninay mifandray amin’ireo Fihetsikay na amin’ny alalan’ireo Tranonkalanay, fotodrafitrasanay, rafitray ary teknolojianay amin’ireo Orinasa Meta hafa izahay. Izany fizarana izany dia manampy anay hitandro ny aroloza sy ny fahalemana ary ny maha iray tsy mivaky; hanao tolotra sy doka voatokana; hanoa ny lalàna manan-kery; hamolavola sy hanolotra fiasa sy fampiraisam-bolo; ary hahazo hoe ahoana no hampiasan’ny olona sy hifandraisan’izy ireo amin’ireo Vokatry ny Orinasa Meta.
Lalàna sy Fanoavana: Azonay atao ny misitraka, mihazona, mampiasa, na mizara ny fampahalalanao (i) mba hamaliana fangatahana ara-dalàna, toy ny didy fampisavana, didy hitsivolana navoakan’ny fitsarana, baiko fampisehoana, na fampiantsoana ho any amin’ny fitsarana. Ireo fangatahana ireo dia avy amin’ny antoko fahatelo toy ireo mpandrindra fifanolanana amin’ny raharaham-pitsarana ady madio, ny mpitandro filaminana, ary ny manam-pahefan’ny governemanta hafa. Azonay atao ihany koa ny mizara ny fampahalalanao amin’ny fikambanana hafa, anisan’izany ny orinasa Meta na antoko fahatelo hafa, izay manampy anay amin’ny fanadihadiana na famaliana ny fangatahana toy izany, (ii) mifanaraka amin’ny lalàna manan-kery, ary (iii) hanandratana ny aroloza sy fahalemana ary ny maha iray tsy mivaky ny Vokatra Meta, mpampiasa, mpiasa, fananana, ary ny daholobe. Tafiditra amin’izany ny fanadihadiana fandikana fifanekena, fanitsakitsahana ny fepetranay na politikanay, na fandikan-dalàna, na fitsirihana sy fisorohana ary fandraisana fepetra amin’ny hosoka. Mety havoaka ihany koa ny fampahalalanao manokana raha ilaina izany ho an’ny fametrahana, fampiharana, na fiarovana fitakiana ara-dalàna ary ho an’ny fanadihadiana na fisorohana fahaverezana na famelezana tena misy na ahiana amin’ny olona na fananana.
Fivarotana Fihariana: Raha mivarotra na mamindra ny fiharianay manontolo na amin’ny ampahany amin’ny olon-kafa izahay, dia mety hanome an’ilay tompony vaovao ny fampahalalanao amin’ny maha anisan’ny fifanakalozana azy, mifanaraka amin’ny lalàna manan-kery.

5. Ahoana no hampiharanao ny zonao

Manana zo mahakasika ny fampahalalanao manokana ianao, arakaraka ny lalàna manan-kery sy ny toerana onenanao. Raha toa ka mihatra amin’ny fomba ankapobeny ny sasany amin’ireo zo ireo, ny zo sasany kosa dia amin’ny tranga voafetra sy anatin’ny fari-piadidiana sasany ihany no mihatra. Afaka mampiasa ny zonao amin’ny alalan’ny fifandraisana aminay ato ianao.
  • Zo hisitraka/hahafantatra - Manana zo hangataka fisitrahana ny fampahalalanao sy hahazo kopian’ny fampahalalana sasany ianao, anisan’izany ireo sokajin’ny fampahalalanao manokana angoninay, ampiasainay na avoakanay, ary ny fampahalalana momba ny fanaonay amin’ny angon-drakitra.
  • Zo amin’ny fanitsiana - Manana zo hangataka aminay hanitsy ny fampahalalana manokana diso momba anao ianao.
  • Zo amin’ny famafana/hangataka famafana - Manana zo ianao, amin’ny tranga sasany, hangataka aminay mba hamafa ny fampahalalanao manokana, raha toa ka misy antony manan-kery hanaovana izany sy mifanaraka amin’ny lalàna manan-kery.
  • Zo amin’ny fivezivezen’ny angon-drakitra - Manana zo ianao, amin’ny tranga sasany, handray ny fampahalalanao amin’ny fiendrika voarafitra sy fampiasa matetika ary azo vakin’ny masinina ary hampita izany fampahalalana izany amin’ny mpifehy hafa.
  • Zo handà/hiala (marketing) - Manana zo ianao handà ny fikirakirana ho an’ny marketing mivantana, fikendrena sokajin’olona, ary fandraisana fanapahan-kevitra mandeha ho azy amin’ny fotoana rehetra. Raha mampiasa ny fampahalalanao ho an’ny marketing mivantana izahay, dia azonao atao ny mandà sy miala amin’ny hafatra marketing mivantana hoavy amin’ny fampiasana ny rohy fanafoanana famandrihana ao amin’ny serasera toy izany.
  • Zo handà - Manana zo handà sy hametra ny fikirakirana sasany ny fampahalalanao ianao. Afaka mandà ny fikirakiranay ny fampahalalanao ianao rehefa miantehitra amin’ny tsombontsoa ara-drariny sy hitsiny na manao raharaha ho an’ny soa iombonana izahay. Hihevitra anona maromaro izahay rehefa manombantombana fandavana iray, anisan’izany: Raha tsy hoe angaha izahay mahita izahay fa manana antony ara-drariny sy hitsiny maharesy lahatra hanaovana an’io fikirakirana io izay tsy latsa-danja mitaha amin’ireo tombontsoanao na ireo zo sy fahafahana fototrao, na ilaina noho ny antony ara-dalàna ilay fikirakirana, dia hanohana ny fitsipahanao izahay, ary hatsahatray ny fikirakirana ny fampahalalanao. Afaka mampiasa an’ilay rohy “Manafoana famandrihana” anatin’ireo serasera marketing anay koa ianao hampijanonana ny fampiasanay ny fampahalalanao ho an’io marketing mivantana io.
    • Ny hetahetanao araka ny antonony
    • Ireo tombontsoa sy ireo risika ho anao, ho anay, ho an’ireo mpampiasa na antoko fahatelo hafa
    • Ireo fomba azo ampiasaina hafa hanatanterahana an’io tanjona io ihany izay mety ho kely fiavy kokoa sy tsy mitaky ezaka mihoa-pampana
  • Zo hisintona ny fanekenao - Tamin’izay nangatahanay ny fanekenao ho an’ny fihetsika fikirakirana sasany, dia manana zo hisintona an’izany fanekena izany foana ianao. Mariho, azafady, fa ny maha ara-dalàna ny fikirakirana tsy ankavanaka natao mialoha ny fisintonanao ny fanekenao dia tsy tokony ho voakasik’ilay fisintonana.
  • Zo hitaraina - Azonao atao ny mametraka fitarainana any amin’ny manam-pahefana mpanara-maso ifotony ianao. Ny manam-pahefana mpanara-maso voalohany ny Meta Platforms Ireland Limited dia ny Irish Data Protection Commission.
  • Zo tsy havakavahana: Tsy hanavakavaka anao izahay amin’ny fampiharana ireo zo rehetra ireo.
Mariho, azafady, fa mba hiarovana ny fampahalalanao sy ny maha iray tsy mivaky ireo serivisy Marketing anay, dia mety hila hanamarina ny fiizianao izahay alohan’ny hikarakarana ny fangatahanao. Amin’ny tranga sasany dia mety hila hanangona fampahalalana fanampiny izahay mba hanamarinana ny fiizianao, toy ny taratasy fampahafantarana avy amin’ny fanjakana amin’ny fari-piadidiana sasany. Amin’ny lalàna sasany, dia ianao ihany dia afaka mampihatra ireo zo ireo na afaka manendry solontena mahazo alalana ianao mba hanao ireo fangatahana ireo amin’ny anaranao.
Lalàna Brezilianina Fiarovana Angon-drakitra Ankapobeny
Ity fizarana ity dia mihatra amin’ny fihetsika fikirakirana angon-drakitra manokana izay fehezin’ny lalàna brezilianina ary mameno an’ity Politika Fitanan-tsiambaratelo ity.
Araka ny Lalàna Brezilianina Fiarovana Angon-drakitra Ankapobeny (ny “LGPD”), ianao dia manana zo hisitraka, hanitsy, hitondra, hamafa, ary hanamafy ny fikirakiranay ny angon-drakitrao. Amin’ny toe-javatra sasany, dia manana zo handà sy hametra ny fikirakirana ny fampahalalanao manokana ihany koa ianao, na azonao atao koa ny misintona ny fanekenao rehefa mikirakira ny angon-drakitra nomenao anay araka ny fanekenao izahay. Ity Politika Fitanan-tsiambaratelo ity dia manome fampahalalana momba ny fomba izaranay angon-drakitra amin’ireo antoko fahatelo. Mba hangatahana fampahalalana bebe kokoa momba ny fanaonay amin’ny resaka angon-drakitra, dia tsindrio eto.
Manana zo handefa fangatahana ofisialy amin’ny Manam-pahefana Brezilianina misahana ny Fiarovana angon-drakitra koa ianao amin’ny alalan’ny fifandraisana mivantana amin’izy ireo.

6. Fihazonana ny fampahalalanao

Mandritra ny fotoana ilaina mba hahatratrarana ny tanjona voalaza ato amin’ity Politika Fitanan-tsiambaratelo ity ihany no hihazonanay ny fampahalalanao manokana. Meta dia hihazona ny fampahalalanao izay angoninay rehefa mandray anjara amin’ny fangalana domberina na fandinihana domberina ianao, mandritra ny faharetan’ilay tetikasa sy ny fotoana ilaina aorian’izay mba hanaovana famakafakana, hamaliana ny fitsaran’ny mpiray sehatr’asa, na ankoatr’izay hanamarinana ilay domberina. Meta dia hihazona ary hampiasa ny fampahalalanao manokana ao anatin’ny fetra ilaina mba hanoavana ireo adidinay ara-dalàna (ohatra hoe raha takina hihazona ny fampahalalanao manokana izahay mba hanoavana ny lalàna manan-kery), mba hamahana fitsipahana, ary mba hampiharana ny fepetranay. Rehefa dila izany fotoana hihazonana azy izany ary tsy manana antony fanampiny hihazonana ilay fampahalalanao manokana izahay, dia ho fafana ilay fampahalalanao manokana.

7. Asa aman-draharahanay eran-tany

Mizara ny fampahalalana angoninay maneran-tany izahay, sady anatiny manerana ireo biraonay sy ivon-angon-drakitray no ivelany amin’ireo mpivarotra, ireo mpamatsy serivisy, ary ireo antoko fahatelonay. Koa satria maneran-tany i Meta, ary manana mpampiasa sy mpiasa maneran-tany, dia ilaina noho ny antony maro samihafa ny famindrana, anisan’izany:
  • Mba hahafahanay mampandeha sy manolotra an’ireo serivisy voalaza ao amin’ireo fepetran’ity Politika Fitanan-tsiambaratelo ity
  • Mba hahafahanay manamboatra, mamakafaka, ary manatsara ireo vokatray mifanaraka amin’ity Politika Fitanan-tsiambaratelo ity
Aiza no afindra ny fampahalalana?
Ny fampahalalanao dia hafindra na hampitaina amin’ireo, na hampirimina sy hokirakiraina ao amin’ireo:
  • Toerana anananay fotodrafitrasa na ivon-angon-drakitra, anisan’izany i Etazonia, Irlandy, Danemark, ary Soeda, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo
  • Firenena azo isitrahana ny Workplace
  • Firenena hafa, raha any ivelan’ny firenena onenanao no misy an’ireo mpivarotra, ireo mpamatsy serivisy, ary ireo ankolafy fahatelonay, ho an’ireo tanjona voafaritra ato amin’ity Politika Fitanan-tsiambaratelo ity.
Ahoana no fitandremanay ny fampahalalanao?
Miantehitra amin’ny fomba fiasa sahaza izahay ho an’ireo famindrana angon-drakitra iraisam-pirenena.
Fomba fiasa ampiasainay ho an’ireo famindrana angon-drakitra iraisam-pirenena
Miantehitra amin’ny fomba fiasa sahaza izahay ho an’ireo famindrana iraisam-pirenena. Ohatra, ho an’ny fampahalalana angoninay:
Fari-toekarena Eoropeanina
  • Izahay dia miantehitra amin’ireo fanapahan-kevitra avy amin’ny Vaomiera Eoropeanina izay anaovan-dry zareo loa-bolana fa mampihatra ambaratongam-piarovana sahaza ho an’ny fampahalalan’olona manokana ny firenena sy tany sasany ivelan’ny Fari-toekarena Eoropeanina. Ireo fanapahan-kevitra ireo dia antsoina hoe “fanapahan-kevitra araka ny fahasahaza.” Indrindra indrindra, izahay dia mamindra ny fampahalalana angonina avy ao amin’ny Fari-toekarena Eoropeanina mankany Arzantina, Israely, Novely Zelandy, Soisy, Royaume-Uni ary, raha azo ampiharina ilay fanapahan-kevitra, Kanadà, noho ireo fanapahan-kevitra araka ny fahasahaza mifandraika. Mamantatra misimisy momba ny fanapahan-kevitra araka ny fahasahaza ho an’ny firenena tsirairay izay nankasitrahin’i Meta Platforms, Inc. ny fandraisany anjara amin’ny Fefimeran’ny Fitanan-tsiambaratelon’ny Angon-drakitra Vondrona Eoropeanina-Etazonia. Izahay dia miankina amin’ny Fefimeran’ny Fitanan-tsiambaratelon’ny Angon-drakitra Vondrona Eoropeanina-Etazonia sy ny fanapahan-kevitra araka ny fahasahaza mifandraika an’ny Vaomiera Eoropeanina, ho an’ireo famindrana fampahalalana ho an’ireo vokatra sy serivisy voatondro anatin’io fanamarinana io. Mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa, dia diniho azafady ny Famborahana Fefimeran’ny Fitanan-tsiambaratelon’ny Angon-drakitra an’i Meta Platforms, Inc.
  • Amin’ny fisehoan-javatra hafa, izahay dia miankina amin’ireo andinindinim-pifanekena manara-penitra nankatoavin’ny Vaomiera Eoropeanina (sy ireo andinindinim-pifanekena manara-penitra mira lenta ho an’ny Fanjakana Mitambatra, raha mety) na amin’ireo fihatahana amin’ny ara-dalàna nomena ho an’izany araka ny lalàna manan-kery hamindrana fampahalalana mankany amin’ny firenena fahatelo iray.
Raha manana fanontaniana ianao momba ny famindrana angon-drakitra iraisam-pirenenay sy ireo an-dalam-panekena standard, dia afaka mifandray aminay ianao.
Korea
Mamantara misimisy momba ireo zo amin’ny fitanan-tsiambaratelo azonao sitrahina, ny antsipiriany momba ireo antoko fahatelo izaranay ny fampahalalanao, ary ny raharaha hafa amin’ny alalan’ny fandinihana ny Fampandrenesana Fitanan-tsiambaratelo Korea.
Ambin’izao tontolo izao:
  • Amin’ny fisehoan-javatra hafa, izahay dia miankina amin’ireo andinindinim-pifanekena manara-penitra nankatoavin’ny Vaomiera Eoropeanina (sy ireo andinindinim-pifanekena manara-penitra mira lenta ho an’ny Fanjakana Mitambatra, raha mety) na amin’ireo fihatahana amin’ny ara-dalàna nomena ho an’izany araka ny lalàna manan-kery hamindrana fampahalalana mankany amin’ny firenena fahatelo iray.
  • Izahay dia miantehitra amin’ireo famaritana avy amin’ny Vaomiera Eoropeanina, sy avy amin’ireo manam-pahefana sahaza hafa, momba ny hoe manana ambaratongam-piarovana angon-drakitra sahaza ve ireo firenena hafa sa tsia.
  • Mampiasa fomba fiasa mitovy lenta araka ireo lalàna manan-kery izay mihatra amin’ireo famindrana angon-drakitra mankany Etazonia sy mankany amin’ireo firenena sahaza hafa izahay.
Ataonay azo antoka koa fa misy fitandremana sahaza atao isaky ny mamindra ny fampahalalanao izahay. Ohatra, ataonay soramiafina ny fampahalalanao rehefa miampita amin’ny tambajotram-bahoaka mba hiarovana azy amin’ny fisitrahana tsy nomen-dalana.

8. Antony Ara-dalàna Hanaovanay Fikirakirana

Araka ny lalàna manan-kery sasany momba ny fiarovana angon-drakitra, dia tsy maintsy manana fototra ara-dalàna hikirakirana angon-drakitra manokana ny orinasa. Ny tianay holazaina amin’ny hoe “mikirakira angon-drakitra manokanan-tsamirery” dia ireo fomba anangonanay sy ampiasanay ary izaranay ny fampahalalanao, araka ny nofaritanay amin’ireo fizarana hafa etsy ambony amin’ity Politika Fitanan-tsiambaratelo ity.
Inona no fototra ara-dalànanay?
Miankina amin’ny fari-piadidianao sy ny toe-javatra misy anao, dia miantehitra amin’ny antony ara-dalàna samihafa izahay mba hikirakirana ny fampahalalanao ho an’ireo tanjona voafaritra ato amin’ity Politika Fitanan-tsiambaratelo ity. Mety hiantehitra amin’ny antony ara-dalàna samihafa koa izahay rehefa mikirakira an’io fampahalalanao io ihany ho an’ny tanjona hafa. Amin’ny fari-piadidiana sasany, dia ny fanekenao ny fikirakirana ny fampahalalanao manokana no ianteheranay voalohany. Amin’ny fari-piadidiana hafa, anisan’izany ny Faritra Eoropeanina, dia miantehitra amin’ny antony ara-dalàna eto ambany izahay. Ho an’ny fototra ara-dalàna tsirairay eto ambany, dia faritanay hoe nahoana no mikirakira ny fampahalalanao izahay.
Tombontsoa Ara-drariny sy Hitsiny
Miantehitra amin’ireo tombontsoanay ara-drariny sy hitsiny na ny tombontsoa ara-drariny sy hitsiny an’ny antoko fahatelo iray izahay, raha toa ireo ka tsy latsa-danja mitaha amin’ireo tombontsoanao na ireo zo sy fahafahana fototrao (“tombontsoa ara-drariny sy hitsiny”):
Nahoana izahay no mikirakira ny fampahalalanao ary ahoana no hikirakirainay azyTombontsoa Ara-drariny sy Hitsiny ianteheranaSokajin’ny Fampahalalana Ampiasaina
Mba hanolorana, hanatsarana, ary hamolavolana ny Tranonkalanay sy Fihetsikay, izahay dia:
Mamakafaka ny fampahalalanao sy ny fomba ampiasanao ny Tranonkalanay ary ny fomba ampiasanao sy irobohanao amin’ireo Fihetsikay.
Tombontsoa ho anay ny manao izay hahazoana ny fihetsika amin’ny Tranonkalanay sy ny manara-maso ary manatsara ny Tranonkalanay.
Tombontsoa ho anay ny manome Fihetsika Marketing sy Domberina, ny mahazo ny fomba ampiasanao an’ireo, ary ny mamolavola sy manatsara azy ireo.
  • Fampahalalam-pifandraisanao
  • Fampahalalana Omenao Anay
  • Fampahalalana momba ny Fampiasana sy ny Rakitatitra
  • Fampahalalana momba ny Fitaovan-tserasera sy ny Fifandraisana
  • Fampahalalana momba ny Antoko Fahatelo
  • Kokizy
Mba hahazoana izay irin’ny mpampiasa sy tiany, izahay dia:
Manolotra an’ireo Fihetsikay, anisan’izany ny fandinihana ny fampahalalanao sy ny domberinao raha mandray anjara amin’ny fangalana domberina na fandinihana domberina hafa ianao, izay mety hitsapanao hevitra vaovao sy hanaovanao topimaso fiasa Workplace, ohatra.
Ny fampahalalana angonina avy amin’ny fandraisanao anjara amin’ny fangalana domberina iray na fandinihana domberina hafa dia hatambatra ary hampiasaina ao amin’ny endrika tsy azo amantarana, ary raha misy tenin’olona na fihetseham-po ao amin’ilay domberina na tatitra haitsikaritra, dia tsy holazain’ilay tatitra ho avy aminao manokana izany.
Tombontsoa ho anay sy ho an’ny mpanjifa ny manao izahay hahazoana hoe inona no irin’ny mpanjifa sy tiany, ary mampiasa izany mba hampahafantarana raha hanova na hampiditra fiasa vaovaon’ny Workplace na vokatra na serivisy hafa ary mba hahazoana haitsikaritra hafa.
  • Fampahalalam-pifandraisanao
  • Fampahalalana Omenao Anay
  • Fampahalalana momba ny Fampiasana sy ny Rakitatitra
  • Fampahalalana momba ny Fitaovan-tserasera sy ny Fifandraisana
  • Fampahalalana momba ny Antoko Fahatelo
  • Kokizy
Mba hifaneraserana aminao sy handefasana serasera marketing aminao (rehefa tsy mifototra amin’ny fanekena izy ireo).
Raha misoratra anarana ianao mba haharay mailaka serasera marketing toy ny taratasim-baovao, dia azonao atao ny manafoana famandrihana amin’ny fotoana rehetra amin’ny fanindriana ilay rohy “manafoana famandrihana” hita eo amin’ny fanambanin’ny mailaka tsirairay.
Milaza aminao momba ny Fihetsikay sy ny politikanay ary/na ny fepetranay izahay rehefa ilaina izany.
Mamaly anao koa izahay rehefa mifandray aminay ianao.
Tombontsoa ho anay ny mandefa serasera marketing mivantana aminao mba hampahafantarana ireo vokatray ary hanomezana anao fampahalalana momba ny vokatra vaovao na nohavaozina mety hahaliana.
Tombontsoa ho anay ny milaza aminao momba ny Fihetsikay sy ny politikanay ary/na ny fepetranay raha ilaina izany.
Tombontsoa ho anay sy ho anao ny fampiasana ny fampahalalanao mba hamaliana anao rehefa mifandray aminay ianao.
  • Fampahalalam-pifandraisanao
  • Fampahalalana Omenao Anay
Mba hanolorana, hanokanana, handrefesana, ary hanatsarana ny marketingnay sy dokambarotray, izahay dia:
Mampiasa ny fampahalalanao ho an’ny doka voakendry, anisan’izany ny amin’ny alalan’ny tambajotra antoko voalohany ary antoko fahatelo ary ho an’ny famoronana mpahita mifanahaka, mpahita voatokana, ary fandrefesana amin’ny tambajotran-doka antoko voalohany na antoko fahatelo
Tombontsoa ho anay ny manao fihetsika marketing sy dokambarotra.
  • Fampahalalam-pifandraisanao
  • Fampahalalana Omenao Anay
  • Fampahalalana Momba ny Fampiasana sy ny Rakitatitra
  • Fampahalalana Momba ny Fitaovan-tserasera sy ny Fifandraisana
  • Kokizy
Mba hitandroana ny aroloza sy ny maha iray tsy mivaky ary ny fahalemana, izahay dia:
Mamakafaka ny fampahalalana momba ny fitaovan-tseraseranao sy ny fifandraisanao mba hahitana sy hanadihadiana izay mety ho fanao mampiahiahy.
Tombontsoa ho anay sy ho an’ny mampiasa ireo Tranonkalanay ary ho an’ireo mpandray anjara amin’ny Fihetsika Marketing sy Domberinay ny miaro ny rafitra mifandraika sy miady amin’ny spam, fandrahonana, fanararaotana, na fihetsika mandika fitsipika, ary mitandro ny aroloza sy fahalemana ao amin’ireo Tranonkalanay sy Fihetsikay.
  • Fampahalalana Momba ny Fitaovan-tserasera sy ny Fifandraisana
  • Fampahalalana Momba ny Fampiasana sy ny Rakitatitra
  • Kokizy
Mihazona sy mizara fampahalalana amin’ny hafa izahay anisan’izany ny mpitandro filaminana ary mba hamaliana ireo fangatahana ara-dalàna.
Tafiditra amin’izany ny famaliana fangatahana ara-dalàna izay tsy takin’ny lalàna manan-kery hataonay kanefa heverinay amin’ny saina tsy miangatra fa takin’ny lalàna ao anatin’ilay fari-piadidiana mihatra, na ny fizarana fampahalalana amin’ny mpitandro filaminana na amin’ny indostria mpiombon’antoka mba hiadiana amin’ny fanao manararaotra na tsy ara-dalàna. Mihazona sary indray mipikan’ny fampahalalan’ny mpampiasa, ohatra, izahay rehefa takin’ny mpitandro filaminana izany satria ilaina amin’ny fanadihadiana iray.
Tombontsoa ho anay sy ho an’ny mpampiasa ny misoroka sy mandray fepetra amin’ny hosoka, ny fampiasana tsy nomen-dalana an’ireo Tranonkalanay na Fihetsikay, ny fanitsakitsahana ny fepetranay sy politikanay, na ny fihetsika hafa manimba sy tsy ara-dalàna.
Tombontsoa ho anay ny miaro ny tenanay (anisan’izany ny zonay, ireo mpiasanay, ny fanananay, ary ireo vokatray), ny mpampiasanay na hafa, tafiditra amin’ny fangatahana amin’ny fanadihadiana na fanaraha-maso fampiharana lalàna; ary mba hisorohana fahafatesana na ratra ara-batana mananontanona.
Ny mpitandro filaminana, fanjakana, manam-pahefana, ary indostria mpiombon’antoka sahaza dia manana tombontsoa ara-drariny sy hitsiny amin’ny fanadihadiana sy fiadiana amin’ny fanao manararaotra na tsy ara-dalàna.
  • Fampahalalam-pifandraisanao
  • Fampahalalana Omenao Anay
  • Fampahalalana Momba ny Fitaovan-tserasera sy ny Fifandraisana
  • Fampahalalana momba ny Fampiasana sy ny Rakitatitra
  • Fampahalalana momba ny Antoko Fahatelo
  • Kokizy
Mihazona ary mizara fampahalalana izahay rehefa mitady torohevitra ara-dalàna na miaro ny tenanay rehefa misy tsy fifanarahana na fitsipahana hafa. Tafiditra amin’izany ny raharaha toy ny fanitsakitsahana an’ireo fepetranay sy politikanay, raha manan-kery izany.
Tombontsoa ho anay sy ho an’ny mpampiasanay ny manao izay hamaliana ny fitarainana, hisorohana sy handraisana fepetra amin’ny hosoka, fampiasana tsy nomen-dalana ny Tranonkalanay sy Fihetsikay, fanitsakitsahana ny fepetra sy politikanay manan-kery, na fihetsika hafa manimba sy tsy ara-dalàna.
Tombontsoa ho anay ny mitady torohevitra ara-dalàna sy miaro ny tenanay (anisan’izany ny zonay, mpiasanay, fanananay, ary vokatray), ny mpampiasanay na hafa, tafiditra amin’ny fangatahana amin’ny fanadihadiana na fanaraha-maso fampiharana lalàna ary amin’ny tsy fifanarahana na fitsipahana hafa.
  • Fampahalalam-pifandraisanao
  • Fampahalalana Omenao Anay
  • Fampahalalana Momba ny Fitaovan-tserasera sy ny Fifandraisana
  • Fampahalalana momba ny Fampiasana sy ny Rakitatitra
  • Fampahalalana momba ny Antoko Fahatelo
  • Kokizy
Ny Fanekenao
Mikirakira fampahalalana ho an’ny tanjona voafaritra eto ambany izahay rehefa nanome anay ny fanekenao ianao. Voalaza eto ambany ireo sokajin’ny fampahalalana ampiasaina ary ny antony sy ny fomba ikirakiraina azy:
Antony sy Fomba Ikirakirainay ny FampahalalanaoSokajin’ny Fampahalalana Ampiasaina
Mba handefasana aminao serasera marketing (rehefa mifototra amin’ny fanekenao). Rehefa mikirakira ny fampahalalanao mifototra amin’ny fanekenao izahay, ianao dia manana zo hisintona ny fanekenao amin’ny fotoana rehetra, kanefa tsy ho voakasik’izany ny maha ara-dalàna ny fikirakirana mifototra amin’ny fanekena toy izany natao mialohan’ny fisintonanao ilay fanekenao amin’ny alalan’ny fifandraisana aminay amin’ny fampahalalam-pifandraisana voalaza eto ambany.
Azonao atao ny manafoana famandrihana amin’ny mailaka serasera marketing amin’ny fotoana rehetra amin’ny fanindriana ilay rohy “manafoana famandrihana” hita eo amin’ny fanambanin’ny mailaka tsirairay.
  • Fampahalalam-pifandraisanao
Fanoavana Adidy Ara-dalàna
Mikirakira fampahalalana izahay mba hanoavana adidy ara-dalàna anisan’izany, ohatra, ny mba hisitrahana sy hihazonana ary hamborahana fampahalalana sasany raha misy fangatahana ara-dalàna manan-kery.
Antony sy Fomba Ikirakirainay ny FampahalalanaoSokajin’ny Fampahalalana Ampiasaina
Hikirakirana fampahalalana rehefa manoa adidy ara-dalàna izahay anisan’izany, ohatra, ny mba hisitrahana sy hihazonana ary hamborahana fampahalalana sasany raha misy fangatahana ara-dalàna manan-kery avy amin’ny mpanara-maso ny fampiharana lalàna, mpitandro filaminana, na hafa. Ohatra hoe didy fampisavana na baiko fampisehoana avy amin’ny mpitandro filaminana irlandey mba hanomezana fampahalalana mifandray amin’ny fanadihadiana iray, toy ny adiresy IP anao.
  • Fampahalalam-pifandraisanao
  • Fampahalalana Omenao Anay
  • Fampahalalana Momba ny Fitaovan-tserasera sy ny Fifandraisana
  • Fampahalalana momba ny Fampiasana sy ny Rakitatitra
  • Fampahalalana momba ny Antoko Fahatelo
  • Kokizy
Fiarovana ny Tombontsoa Iankinan’ny Ainao na ny An’ny Olon’kafa
Mikirakira fampahalalana izahay rehefa mila fiarovana ny tombontsoa kankinan’ny ain’ny olona iray.
Antony sy Fomba Ikirakirainay ny FampahalalanaoSokajin’ny Fampahalalana Ampiasaina
Mizara fampahalalana amin’ny mpitandro filaminana sy ny hafa izahay, amin’ny toe-javatra ilana fiarovana ny tombontsoa iankinan’ny ain’ny olona iray, toy ny amin’ny tranga vonjy taitra. Anisan’ireo tombontsoa iankinan’ny aina ny fiarovana ny ainao na ny ain’ny hafa, ny fahasalaman’ny vatanao na sainao, ny fiadananao na ny maha iray tsy mivaky anao na ny an’ny hafa.
  • Fampahalalam-pifandraisanao
  • Fampahalalana Omenao Anay
  • Fampahalalana Momba ny Fitaovan-tserasera sy ny Fifandraisana
  • Fampahalalana momba ny Fampiasana sy ny Rakitatitra
  • Fampahalalana momba ny Antoko Fahatelo
  • Kokizy

9. Fanavaozana ny Politika Fitanan-tsiambaratelo

Mety hanova na hanavao ny Politika Fitanan-tsiambaratelonay tsindraindray. Hametraka ilay Politika Fitanan-tsiambaratelo vaovao izahay, hanavao ilay daty “Fanovana Farany” eny amin’ny fanamboniny, ary hanao izay dingana hafa takin’ny lalàna manan-kery. Diniho tsindraindray, azafady, ny Politika Fitanan-tsiambaratelonay.

10. Iza no tompon’andraikitra amin’ny fampahalalanao

Mety hanova na hanavao ny Politika Fitanan-tsiambaratelonay tsindraindray. Hametraka ilay Politika Fitanan-tsiambaratelo vaovao izahay, hanavao ilay daty “Fanovana Farany” eny amin’ny fanamboniny, ary hanao izay dingana hafa takin’ny lalàna manan-kery. Diniho tsindraindray, azafady, ny Politika Fitanan-tsiambaratelonay.
Raha monina ao amin’ny firenena na tany ao amin’ny “Faritra Eoropeanina” ianao (izay mahatafiditra ireo firenena ao amin’ny Vondrona Eoropeanina sy hafa: Andorre, Aotrisy, Açores, Belzika, Boligaria, Tangoronosy Canaries, Tangoronosy Anglo-normande, Kroasia, Repoblika Tseky, Danemark, Estonia, Failandy, Frantsa, Guiana Frantsay, Alemaina, Gibraltar, Gresy, Guadeloupe, Hongria, Islandy, Irlandy, Nosin’i Man, Italia, Letonia, Liechtenstein, Litoania, Luxembourg, Madère, Malta, Martinika, Mayotte, Monaco, Holandy, Norvezy, Polonina, Portogaly, République de Chypre, Réunion, Romania, Sain-Marin, Saint-Martin, Slovakia, Slovenia, Espaina, Soeda, Soisa, Royaume-Uni, ireo toby fiandrianan’i Royaume-Uni any Chypre (Akrotiri sy Dhekelia), ary Cité du Vatican) na raha ankoatr’izay ianao monina ivelan’i Etazonia sy Kanada dia Meta Platforms Ireland Limited no mpifehy angon-drakitra miandraikitra ny fampahalalanao.
Raha monina any Etazonia na Kanada ianao, dia Meta Platforms Inc. no endri-pisiana miandraikitra ny fampahalalanao.

11. Mifandray aminay

Raha toa ianao ka manana fanontaniana momba an’ity Politika Fitanan-tsiambaratelo ity, fitarainana na fangatahana mahakasika ny fampahalalanao manokana ary ireo politika fitanan-tsiambaratelonay sy fanaonay, dia afaka mifandray aminay ianao. Ny azonao ifandraisana aminay dia amin’ny mailaka amin’ny workplace.team@fb.com na amin’ny paositra amin’ny:
Etazonia sy Kanada:
Meta Platforms, Inc.
ATTN: Privacy Operations
1601 Willow Road
Menlo Park, CA 94025
Ny ambin’izao tontolo izao (anisan’izany ny Faritra Eoropeanina):
Meta Platforms Ireland Limited
Merrion Road
Dublin 4
D04 X2K5
Ireland
Azo ifandraisana ato ny Mpisahana Fiarovana angon-drakitra ho an’i Meta Platforms Ireland Limited.