Fanampin’ny Fikirakirana Angon-drakitra

  1. Famaritana
    Ato amin’ity Fanampin’ny Fikirakirana Angon-drakitra ity, ny “RGPD” dia ny Fitsipika Ankapoben'ny Fiarovana Angon-drakitra (Fitsipika (UE) 2016/679), ary ny “Mpifehy”, “Mpikirakira Angon-drakitra”, “Lazain'ny Angon-drakitra”, “Angon-drakitra An’ny Tena”, “Fandikana Angon-drakitra An’ny Tena” ary ny “Fikirakirana” dia tokony hanana dikany mitovy amin’izay amaritana azy ao amin’ny RGPD. Ny hoe “Kirakiraina” sy ny hoe “Mikirakira” dia tokony hovoasana mifanaraka amin’ny famaritana ny hoe “Fikirakirana”. Ny filazana momba ny RGPD sy ireo andinindininy dia mahatafiditra ny RGPD nasiam-panovana sy nampidirina ao amin’ny lalàn’i Royaume-Uni. Izay teny hafa rehetra voafaritra ato dia tokony hanana dikany mitovy amin’izay amaritana azy amin’ny toerana hafa ato amin’ity Fifanekena ity.
  2. Fikirakirana Angon-drakitra
    1. Eo am-panaovana an’ireo fihetsiny amin’ny maha Mpikirakira azy araka an’ity Fifanekena ity mifandray amin’ny Angon-drakitra An'ny Tena tsy an-kanavaka ao amin’ny Angon-drakitrao (“Angon-drakitra An’ny Tenanao Manokana”), Meta dia manamafy fa:
      1. ny faharetana, lohahevitra, karazana ary tanjon’ny Fikirakirana dia tokony ho araka izay voafaritra ao amin’ny Fifanekena;
      2. ireo karazana Angon-drakitra An’ny Tena Kirakiraina dia tokony hahatafiditra an’ireo voafaritra ao amin’ny famaritana ny Angon-drakitrao;
      3. ny sokajin’ny Lazain'ny Angon-drakitra dia mahatafiditra an’ireo solontenanao, Mpampiasanao ary izay olon-tsotra hafa fantatra na azo fantarina avy amin’ny Angon-drakitra An’ny Tenanao Manokana; ary
      4. ireo adidinao sy zonao amin’ny maha Mpifehy Angon-drakitra mifandray amin’ny Angon-drakitra An’ny Tenanao Manokana dia araka izay voalaza ato amin’ity Fifanekena ity.
    2. Raha toa i Meta ka Mikirakira ny Angon-drakitra An’ny Tenanao Manokana araka ny na mifandray amin’ny Fifanekena, Meta dia:
      1. tsy Hikirakira ny Angon-drakitra An’ny Tenanao Manokana raha tsy rehefa mifanaraka amin’ny torolalanao ihany araka izay voalaza ao amin’ity Fifanekena ity, tafiditra amin’izany ny mahakasika ny famindrana ny Angon-drakitra An’ny Tenanao Manokana, mifanaraka amin’izay zavatra maningana avelan’ny Andininy 28(3)(a) amin’ny RGPD;
      2. hanao azo antoka fa ireo mpiasany omen-dalana Hikirakira ny Angon-drakitra An’ny Tenanao Manokana araka ity Fifanekena ity dia nanaiky hitana tsiambaratelo na voafehin’ny adidy hitana tsiambaratelo araka ny tokony ho izy mifandray amin’ny Angon-drakitra An’ny Tenanao Manokana;
      3. hampiditra ny fepetra ara-teknika sy ara-pandrindrana voalaza ao amin’ny Fanampin’ny Fahalemana Angon-drakitra;
      4. hanaja an’ireo fepetra voalaza eo ambany ao amin’ny Fizarana 2.c sy 2.d amin’ity Fanampin’ny Fikirakirana Angon-drakitra ity rehefa manendry zana-Mpikirakira;
      5. hanampy anao amin’ny alalan’ny fepetra ara-teknika sy ara-pandrindrana sahaza, raha toa mbola azo atao hatrany izany amin’ny alalan’ny Workplace, mba hahafahanao manatanteraka an’ireo adidinao hamaly an’ireo fangatahana fampiharana zo ataon’ny Lazain'ny Angon-drakitra araka ny Toko III amin’ny RGPD.
      6. hanampy anao amin’ny fanaovana azo antoka ny fanoavana an’ireo adidinao mifanaraka amin’ny Andininy 32 hatramin’ny 36 amin’ny RGPD, eo am-piheverana ny karazan’ilay Fikirakirana sy ny fampahalalana azon’i Meta sitrahina;
      7. rehefa faranana ny Fifanekena, hamafa ny Angon-drakitra An'ny Tena mifanaraka amin’ny Fifanekena, raha tsy hoe angaha mitaky ny fihazonana Angon-drakitra An'ny Tena ny Lalàn’ny Vondrona Eoropeanina na ny Firenena Mpikambana aminy;
      8. hanao ho azonao sitrahina ny fampahalalana voasoritra ato amin’ity Fifanekena ity sy amin'ny alalan'ny Workplace mba hanatanterahana ny adidin’i Meta mba hanao ho azo sitrahina ny fampahalalana rehetra izay ilaina mba hanaporofoana ny fanoavana an’ireo adidin’i Meta araka ny Andininy 28 amin’ny RGPD; ary
      9. isan-taona, hanao izay hisian’ny mpanamarina ifotony (audit) antoko fahatelo iray miankina amin’ny safidin’i Meta mba hanao fanamarinana ifotony SOC 2 Type II na fanamarinana ifotony hafa manaraka ny fenitry ny sehatra an’ny fifehezan’i Meta mifandraika amin’ny Workplace, ary izany mpanamarina ifotony antoko fahatelo izany dia omenao fahefana etoana. Rehefa angatahinao, Meta dia hanome ho anao dikamitovin’ny tatitry ny fanamarinana ifotony misy amin’izay fotoana izay, ary ny tatitra toy izany dia heverina ho Fampahalalana Tsiambaratelon’i Meta.
    3. Ianao dia manome alalana an’i Meta mba haka ho mpiantok’asa ireo Rantsan’i Meta, sy antoko fahatelo hafa, mba hanatanteraka an’ireo adidiny amin’ny Fikirakirana Angon-drakitra araka ity Fifanekena ity, ary ny lisitr’izy ireo dia homen’i Meta anao rehefa hangatahinao an-tsoratra. Meta dia tsy hanao an’izany afa-tsy amin’ny alalan’ny fifanekena an-tsoratra miaraka amin’izany zana-Mpikirakira izany, izay mametraka adidy fiarovana angon-drakitra amin’ilay zana-Mpikirakira mitovy amin’ireo adidy apetraka amin’i Meta araka ity Fifanekena ity. Raha toa ka tsy mahavita manatanteraka an’izany adidy izany ilay zana-Mpikirakira, Meta dia ho tompon’antoka tanteraka aminao momba ny fanatanterahana ny adidy fiarovana angon-drakitra an’izany zana-Mpikirakira izany.
    4. Rehefa manakarama zana-Mpikirakira fanampiny na solony i Meta manomboka amin’ny (i) 25 Mey 2018 na (ii) ny Daty Mampanan-kery (izay aoriana kokoa amin’ireo), i Meta dia hampahafantatra anao an’ilay(ireo) zana-Mpikirakira fanampiny na solony toy izany tsy taran’ny efatra ambin’ny folo (14) andro mialoha ny fanendrena an’ilay(ireo) zana-Mpikirakira fanampiny na solony toy izany. Azonao atao ny mandà ny fangalana an’izany zana-Mpikirakira fanampiny na solony izany ao anatin’ny efatra ambin’ny folo (14) andro aorian’ny ampahafantarin’i Meta anao an’izany amin’ny alalan’ny famaranana avy hatrany ny Fifanekena amin’ny alalan’ny fampandrenesana an-tsoratra an’i Meta.
    5. Meta dia hampandre anao tsy misy hatak’andro rehefa mahafantatra momba Fandikana Angon-drakitra An’ny Tena mifandraika amin’ny Angon-drakitra An’ny Tenanao Manokana. Ny fampandrenesana toy izany dia tokony hisy, amin’ny fotoanan’ilay filazana na haingana araka izay azo atao aorian’ny filazana, antsipiriany sahaza momba an’ilay Fandikana Angon-drakitra An’ny Tena raha azo atao, tafiditra amin’izany ny isan’ny firaketanao voakasik’ilay izy, ny sokajy sy ny isa boriborina ny Mpampiasa voakasika, ny fiantraikan’ilay fandikana andrasana ary izay vahaolana misy na atolotra, araka izay mety, mba hanalefahana ny fiantraikany ratsin’ilay fandikana.
    6. Raha toa ny RGPD na ny lalàna momba ny fiarovana angon-drakitra any amin’ny EEA, Royaume-Uni na Soisa ka mihatra amin’ny Fikirakirana ny Angon-drakitrao araka ity Fanampin’ny Fikirakirana Angon-drakitra ity, ny Fanampin’ny Famindrana Angon-drakitra Eoropeanina dia manan-kery amin’ny famindrana angon-drakitra avy amin’i Meta Platforms Ireland Ltd ary mandrafitra ny ampahany, sy ampidirina amin’ny alalan’ny filazana, amin’ity Fanampin’ny Fikirakirana Angon-drakitra ity.
  3. Fepetra ho an’ny Mpikirakira any Etazonia
    1. Raha toa ny Fepetra Meta ho an’ny Mpikirakira any Etazonia ka mihatra, dia hahaforona ampahany, sy ampidirina amin’ny alalan’ny filazana amin’ity Fifanekena ity, afa-tsy ny Fizarana 3 (Adidin’ny Orinasa) izay tsy ampidirina mazava.